Efa nahitsin’ny mpahaitantara malagasy, Denis Alexandre Lahiniriko, moa fa tsy fanova ny tantara. Tsy mahagaga, araka izany, raha hafa hatrany ny lazain’ny vavan’izao fitondrana Rajoelina izao ary hafa ny hataony. Nireharehan’ny mpanaradia ny filoham-pirenena mihitsy omaly ny teny fanamelohana ireo nambarany fa mety ho ambadiky ny fifofoana ny ain’ny ben’ny tananan’Antananarivo manao hoe “toetra mifanohitra amin’ny kolontsaina malagasy sy ny soatoavina ny herisetra. Manameloka izany ny tenako ary miarahaba ny ben’ny tananan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, nieren-doza. Mankahery ihany koa ny fianakaviany ary miantso ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpanao fanadihadiana hikaroka izay tompon’antoka tamin’izao fikasana ratsy izao. Malagasy iray isika, iray ra, iray aina, mandala ny fihavanana.” Ohatry ny tsy mampino, hoy ny mpanara-baovao, ny maheno hoe fitondrana nahavita nanongam-panjakana ny taona 2009 no mamoaka izany teny rehetra izany. Mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy ve izany ireny zava-nisy ny taona 2009 ireny? Mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy koa ve ny filanjana vatapaty nisy soratra hoe “veloma Rajao” ny taona 2018 na ny fanerena azy hiala na hanaiky praiminisitra sy governemantan’ny marimaritra iraisana? Raha tena olona tsy manaiky herisetra tsy manao an’ireny, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Rehefa aina mpitondra na manam-pahefana ve izany no misy mifofo dia tsy azo ekena fa rehefa aina malagasy maro an’isa toy ny tany Ikongo sy Antsakabary na Miandrivazo dia hoe efa mandeha ny famotorana? Santionany amin’ireo fanontaniana mipetraka izany rehetra izany.
J. Mirija
Henjakenjana ny resaka fanagadrana politika tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao, na io aza no isan’ny nanenjehana sy natao fitaovana politika tamin’ny 2009 nentina nanonganana ny Fanjakana Ravalomanana.
Ny 7-9 jona no voalazan’ny fampahalalam-baovaon’ny Africa Intelligence, fa handehanan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina any Frantsa hihaona amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron.
Olona manodidina ny 500.000 isa no nidina an-dalam-be ny alahady teo tany Pologne, firenena iray any eoropa atsinanana nanohitra ny fiakaran'ny vidim-piainana any an-toerana.
Tsy niandry ela fa naverina any am-ponja Rtoa Bezara Eliane Virginie na Ninie Donia 48 ora teo taorian’ny
Mankahery antsika vahoaka malagasy, hoy ny mpanao politika Kristianina,Eliace Ralaiarimanana.