Adihevitra mampandroso no ilaina fa tsy adilahy politika mampisavorovoro saim-bahoaka.Tsy azo ekena ny fanakorontanana na avy ato anatiny, na avy any ivelany. Mila fitoniana ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Ho taonan'ny fandresena sy ny fihariana ny 2023", hoy ny ampahan'ny kabarin'ny Filoha Rajoelina ny sabotsy 31 desambra teo. Tsy vao sambany io, fa efa fanaony matetika. Vao ny 22 desambra 2022 teo no nanao kabary mitovitovy amin'izany raha nametraka ambany faneva ireo miaramila be galona miisa 25 nakarina grady. Nambarany fa olona vitsy an'isa ireo mpanao politika mitsikera sy tondroiny ho mikasa hanakorontana. Tsikaritra ho matahotra mafy i Andry Rajoelina manoloana ny toe-draharaha ara-politika misy satria kihon-dalana lehibe ny 2023. Sarotra ny hahafahany mitazona ny fahefana, ka toa manao pimaso hatrany amin'ny manam-basy izy hanampy azy. Ny sary politika niseho mantsy, tsy dia nisy resaka na endrika fanakorontanana firy. Fankalazana tsingerin-taonan'antoko aza namoahana basy aman-tafondro ka iza no sahy hanakorontana eo? Ny samy ao anaty Fanjakana no mifanakorontana raha tarafina amin'ilay fitsipaham-pitokisana nataon'ny depiote maro an'isa tamin'ny governemanta. Raha mahatoky ny fahombiazan'ny fintantanany tsy hanana ahiahy kely akory hoe: sao hisy hanongana na hanakorontana eto aho fa matoa miantso vonjy dia efa tsy mahatoky tena intsony. Toa mitady ho lasa mahana tsy henjehina aza matetika. Ho henjana ny fitsaran'ny vahoaka izao fitondrana izao amin'ny fifidianana ka miankina amin'ny fihetsiny no mety hampilamina na hampikorontana ny Firenena. Tompon'andraikitra tanteraka amin'izay mety hiseho noho izany ny Fitondrana volomboasary ary tsy ny filazana sy fitanisana ny hoe: tsy mila korontana no ahafahana hampanaiky ny valalamandry hisotro ny rano tsy tiana.
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny