airtel

Politique

23-déc-2024

Fitondràna Rajoelina

Naka lesona tamin-dRavalo sy Rajao saingy…

Sample post image

Azo lazaina ho naka lesona tamin-dRavalo sy Rajao saingy hatreo amin’ny fomba fiazonana fahefana ihany ny

23-déc-2024

fitondràna Rajoelina, rehefa jerena ny tokontany politika eto Madagasikara ankehitriny. Neverina ho tena adalàna goavana tao anatin’ny fitondràna Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny ny famotsorana ny hetra mikasika ny fampidirana entana avy any ivelany teto Madagasikara, izany hoe ny resaka fanesorana hetra. Io no voalaza fa antony nahatonga fitotonganana samihafa teo amin’ny resaka fitantanana ny volam-panjakana tamin’izany fotoana izany. Ny fitondràna ankehitriny kosa, etsy an-kilan’izay, dia io iaraha-mahita io. Ny tena nisongadina indrindra moa dia tao anatin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna, Naina Andriantsitohaina. Nampiteny ny moana ny fitanisany ireo karazan-ketra nokasainy ho alaina tamin’ireo mponin’Antananarivo. Io iaraha-mahita ankehitriny io ny fanaovan’izao fitondràna izao ampihimamba ny hetran-tranon’ireo kaominina manerana ny nosy. Maro amin’ireo ben’ny tanàna vao lany farany teo sahady no efa velon-taraina sy miasa saina hoe ahoana izany na dia ny andoavana ireo karaman’ny mpiasan’ny kaominina ihany aza? Ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, moa dia niavaka tamin’ny namelany ny mpanohitra haka ny lapan’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny alalan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’izany, Lalao Ravalomanana. Nalalaka nidiran’ny mpanohitra tamin’ny fotoan’androny dia ireo depiote miisa 73 koa tamin’izany fotoana izany ny kianjan’ny 13 may etsy Analakely. Neverina ho lojika politika izany amin’izao fotoana izao satria neverina fa mpanohitra izany tamin’ireny fotoana ireny no ben’ny tanànan’ny renivohitry ny nosy. Neverina ihany koa fa nakàn’ny fitondràna ankehitriny lesona ka dia tsy namelany raha tsy azon’ny kandidàn’ny fitondràna, izay sahy nivaky mihitsy fa kandidàm-panjakàna, ankehitriny i Antananarivo, raha ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI hatreto aloha. Heverina fa vao mainka hiha sarotra ho an’ny mpanohitra na ireo tsy faly amin’izao fitondràna izao, noho izany, ny ahazo ny kianjan’ny 13 may aloha ary ny fitondràm-panjakàna dia hihevitra fa tsy hanana olana ara-bola mandritry ny fotoana maharitra na eo aza ny karazana sazy iraisampirenena samihafa na «sanction international». Vao tsy ela nefa no nisy ny fampahafantarana iraisampirenena fa mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara ary heverina fa voaporofon’ny fianteheran’ny ankamaroan’ny mponina amin’ireo tolotolotra sosialy samihafa fanaon’ny fitondràna sy ny fitobak’ireo mpivarotra tsy manara-drafitra mameno ny firenena ankehitriny izany. Naka lesona ho an’ny fiazonana fahefana sy fitondràna, noho izany, ny fitondràm-panjakàna ankehitriny saingy tsy hita ho nahita lesona ho raisina hitondra any amin’ny fampandrosoana marina aloha hatreto fa politikan’ny fampahantrana amin’ny alalan’ny tsy famahana ny olan’ny delestazy sy tohamboivoy ary izay rehetra miteraka tsy fampananan’asa aza ankehitriny no tena hita ho voavoliny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap