teto Antananarivo renivohitra nandritry ny hetsika tarihin’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 10, dia namoaka tsoa-kevitra na ahiahy, raha ny marimarina kokoa, fa azo heverina ho efa niomana handratra sy hamotika fiaran'ny kandida tamin'ireny vy miendrika tongotr'akoho sy “billes” na kanety kely ireny ireo antsoina mahazatra hoe “gros bras” na be sandry hita teny amin’iny faritra Behoririka sy ny manodidina azy iny ny sabotsy teo. Azo tombanana ve izany fa efa tonga tany amin'ireo kandida mialoha izany “renseignements” na fampitam-baovao izany? Maninona tokoa moa ireo “gros bras” ireo no tsy misy ahiahy hatrany rehefa hidina eny an-kianja eny raha tsy efa natao hiara-hiasa akaiky amin’ireo heverina fa mpitandro filaminana sasany? Hita ho malalaka amin’izay tiany hatao ny “gros bras” matoa hatreto dia hita ho tsy misy tohiny ireo fitoriana nataon'ny kandida simba fananana. Ireo izay nosamborina teny Mahamasina aza moa navotsotra sady nomena akanjo, raha ny hita tamin’ireo horonantsary niparitaka hatrany. Rahoviana no hahazo porofo mivaingana ny olompirenena fa tena fitandroana ny filaminana, fiarovana ny vahoaka sy ny fananany tokoa no ataon’ireo izay antsoina amin’izany anarana izany, indrindra, amin’ny toe-draharaha mafampana eto amin’ny firenena toy izay mitranga ankehitriny? Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany tokoa ve sa natao hiaro ny mpitondra sy ny fananany?
J. Mirija
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny