tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Politique

Fitorian’ny MMM ny CENI «Sady tsy namaly no tsy nanatrika fotoam-pitsarana ny CENI»

Mbola mitoetra hatrany ny tsy finiavan’ny CENI na ny vaomiera mahaleontena misahana ny fifidianana eto amin’ny

25-mai-2023

Sample post image

firenena hametraka ny mangarahara sy hanaja ny lalàna mandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, hoy ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM. Ny naoty laharana faha 1014/22/CENI izay noraisin’ny filohan’ny CENI dia mandika andininy maro amin’ny lalàna faha 2018-008 mikasika ny fifidianana, hoy ity antoko ity. Ity naoty noraisin’ny CENI ity dia manova andininy maro ao anatin’io lalàna io izay mahakasika ny fandraisana ireo mpikambana ao amin’ny CLRE sy ny fizotry ny fanavaozana tanteraka ny lisim-pifidianana amin’ny ankapobeny. Io naoty io anefa no nampiasaina tamin’ny fandraisana ny anaran’ny mpifidy nanomboka ny 1 oktobra 2022. Noho ireo tranga tsy fanarahan-dalàna maro ireo dia nametraka fitoriana teny amin’ny filankevim-panjakana na «conseil d’Etat» ny MMM ny 30 septambra 2022 mba hanafoana io naoty io. Nomena fotoana ny CENI hamaly io fitoriana io mialohan’ny fotoam-pitsarana izay tokony natao ny 23 may 2023 teo. Ny febroary 2023 dia nanao fampahatsiahivana na «mise en demeure» ny CENI koa ny filankevim-panjakana. Tsy namaly io fitoriana io anefa ny CENI no sady tsy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana ihany koa. Araka ny andininy faha 141 amin’ny lalàna laharana faha 2004-036 mikasika ny fomba fiasan’ny fitsarana tampony anefa, rehefa tsy voavalin’ny notoriana io «mise en demeure» io dia naman’ny efa manaiky ireo antony nitoriana azy izy ireo. Araka izany dia tokony namoaka didy mikasika izany ny fitsarana mahefa dia ny filankevim-panjakana. Nanapa-kevitra fotsiny nefa ny filankevim-panjakana fa ahemotra amin’ny fotoana tsy voafaritra ny fotoam-pitsarana. Manameloka ny fizirizirian’ny CENI amin’ny fomba fiasa tsy mangarahara sy tsy misokatra ny MMM ary miantso azy ireo hiverina amin’ny fanarahan-dalàna. Mampahatsiahy ihany koa ny MMM fa tokony hitovy ny fandraisana ny olon-drehetra manoloana ny lalàna sy fitsarana, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Digitalisation” eny amin’ny fokontany Mbola ny karine aloha izao no atobaka
26-mai-2023

Nandritra ny fitokanana biraom-pokontany tao Ambatolahikisoa Fianarantsoa omaly 25 may 2023 no nilazan’ny Filoha

Card image cap
Depiote Todisoa Andriamampandry “Tohizantsika ny fanamboaran-dàlana...”
26-mai-2023

Tahaka ireo fokontany maro ao amin’ny anatin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo, mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dàlana eny amin’ny fokontany Ambatolampy sy Avaratanana (Procar).

Card image cap
Politika sy krizin’andrim-panjakana Tsy te hatao sorona ny governemanta
26-mai-2023

Mihamafy ny krizin’andrim-panjakana eto amin’ny tany sy ny firenena na hiniana sarontsaronana hatrany ny hoe : tsy misy krizy politika eto aza.

Card image cap
Tsy fahafehezana arofenitra Sambany nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena
26-mai-2023

Taorian’ny lazan’ny fandoarana «riz cantonais» dia sambany koa izany izao no nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena teto Madagasikara.

Card image cap
Antoko Ny Fireneko «Fifanarahana mankany amin’ny fitoniana no andrasana»
26-mai-2023

Mivoy ny amin’ny tokony hisiana fifanarahana politika amin’izao fotoana ny antoko politika sasantsasany, hoy ny antoko politika Ny Fireneko.

Card image cap
Fandraisana ny Filoha ao Betafo amin’ny jona
26-mai-2023

Terena hividy “polo orange” ny mpiasam-panjakana ?

Voir plus