airtel

Politique

11-avril-2023

Politique

Fitsinjaram-pahefana Tsy mandeha io raha tsy tsinjaraina ny vola, hoy ny MMM

Sample post image

Nitohy tany Antsohihy, ny faran'ny herinandro teo ny famelabelarana nataon'ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM, notarihin'ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo.

11-avril-2023

Nambarany fa voalazan'ny lalàmpanorenana ny mpiasam-panjakana miasa ho amin'ny fampivoarana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Ilaina ny fametrahana izany, hoy izy, ary tokony atokisana ireo tomponandraiki-panjakana manomboka eny anivon'ny kaominina sy ny faritra hanampy ireo olom-boafidy. Tsy ijerena loko politika sy fiaviana izany saingy tokony ho niofana sy nianatra ary natao hanampy ireo olom-boafidy hanatanteraka ny vina. Tsy midika hoe omena fahefana fotsiny ny eny ifotony. Mila fandraisana andraikitra sy fahaiza-manao izany. Efa nametraka ny fototry ny fitsinjaram-pahefana ny MMM ny taona 2009. Napetrako fony aho minisitry ny fitsinjaram-pahefana ny Ivon-toeram-pirenena ho an'ny fampandrosoana ny eny ifotony na INDDL, hoy hatrany I Hajo Andrianainarivelo. Nampiofanana ireo ben'ny tanàna sy nizarana traikefa ho an'ny fampandrosoana izany, hoy izy. Tsy mandeha ny fitsinjaram-pahefana raha tsy omena vola sy ho enti-manana ary fahaiza-manao ahafahana manatanteraka izany. Miantso ny fanjakana ny MMM mba hanaja ny fahalalahana maneho hevitra na an-trano na ankalamanjana. Tsy atao resabe izany fa mila mamaky ny lalàmpanorenana napetrak'izao fitondrana izao isika. Arahana izany mba hipetrahan'ny fitoniana sy ny filaminana. Efa mahazatra ny MMM ny famelabelaran-kevitra anaty efitrano eny ifotony tahaka izao ary tsy misy ifandraisany amin'ny fepetra napetraky ny fanjakana izany, hoy hatrany ny MMM sady nampahatsiahy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap