airtel

Politique

13-déc-2022

Politique

Fitsipaham-pitokisana Mbola mandeha ny ketrika hanohizana azy

Sample post image

Hiroso amin’ny fametrahana fitoriana eny amin’ny HCC ny depiote, raha toa ka mbola misy ny fiziriziriana amin’ny fitsipahana sy fanakantsakanana ny fitsipaham-pitokisana,

13-déc-2022

raha ny ambaran’ny depiote sasany. Mitohy izany ny ady eo amin’ny governemanta mpanantanteraka sy ny antenimieram-pirenena. “Efa mihantona sy tsy miasa intsony io governemanta io aminay. Maninona no tsy asaina tsarainay, lany ny fitsipahana dia miala ny governemanta, ary tsy lany dia demokrasia izany. Tsy maintsy hiroso ny “motion de censure”, ary rehefa tsy mety miroso dia andefa fitoriana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena. Rehefa tsy hanaiky ny HCC, dia voatery ny Filoha hanala io governemanta io”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote TIM Todisoa Andriamampandry notaterin’ny fampahalalam-baovao omaly. Toa taratr’izany ilay niraharahian’ny depiote ireo olon’ny mpanantanteraka dia ireo iraky ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina tamin’ilay asam-baomiera mikasika ny volavolan-dalàna momba ny zon’ny mpamorona sy ny artista omaly tao Tsimbazaza. Ankoatra io, ny alakamisy 15 desambra takariva no voalaza fa handaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Solombavambahoaka 33 amin’ny 35 no nankato ny fandaharam-potoana. Efa tonga teny Tsimbazaza ny filohan’ny kaomisionin’ny vola, fa tsy tonga kosa ny teknisianin’ny Minisiteran’ny vola. Tsy hisy zava-banona, efa tsy manan-kery intsony aminay maro an’isa io governemanta io, hoy hatrany ny depiote sasany. Ny sasany efa naneho fa fahendrena kokoa ho an’ny Praiminisitra ny mametra-pialana, tao ny naneho fa manohana ny Filoha saingy tsy manohana kosa io governemanta io. Mihalalina izany ny krizy satria toa efa fifampiderana hery no misy eo amin’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna, ary efa mifampiandry an-kendritohana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap