Tao anatin’ny 48 ora, taorian’ny fihaonana teo amin’ny Praiminisitra niaraka tamin’ny minisitry ny vola andaniny sy ireo depiote ankilany no niainga ny resaka fitsipahana ny governemanta. Raha resaka vaomiera hisian’ny teknisianina avy amin’ny andaniny sy ny ankilany handinika ny resaka ara-bola sy tombotsoa tsy azo no niantombohany, dia efa lasa lavitra ny raharaha. Nampanantsoina teny Tsimbazaza ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny vola ny talata teo satria voalaza fa nisy tsy milamina ny raharaha ara-bola ka mahatapaka ny tombotsoa samihafa, saingy naneho ny ankilany fa efa tonga tao amin’io andrim-panjakana io ny volany raha ny tsilian-tsofina. Tonga hatrany amin’ny karazana adin-tserasera, ka tondroin’ireo pejim-baovao mpiara-dia amin’ny fitondrana sy fampahalalam-baovao an’ny olon’ny governemanta, fa mandeha ny fizaram-bola hoenti-manao fitsipaham-pitokisana. Voatonontonona ho atidoha ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, saingy milaza ireo depiote fa tena feo iraisan’izy ireo io. Misy fanononona sora-bola mihitsy hoe: 5 tapitrisa Ar isaky ny depiote, saingy tsy afaka ny hitompo teny fantatra isika, kanefa toa efa fomba fiady hatrizay izany, mampahatsiahy ny raharaha Paon d’or tamin’ny andron’ny HVM. Iny tafiakatra 105 iny ny sonia miaraka ny fangatahana fitsipaham-pitokisana, ary depiote IRD no maro an’isa, ahitana ny tsy miankina anatin’ny GPR, ny TIM, MMM. Efa tonga eo anivon’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena omaly tolakandro io taratasy fangatahana io, ary navesatra dia navesatra ny fiampangana. Efa nanaovana fampahafantarana ihany koa ny praiminisitra sy ny governemanta. Rahampitso zoma no voalaza fa handalo fanapahan-kevitra eo anivon’ny fivoriambe azon’ny besinimaro hatrehina ity fitsipaham-pitokisana ity, ka mety ho rava rahampitso izany ny tsenan’ny governemanta raha ny lojikan’izay. Ankilany anefa, nisy ihany koa ny lisitra misy anarana depiote miisa 57 niparitaka omaly, izay voalaza fa manohitra an’ity “Motion de censure” ity, narahin’ny fanambaran’ireo depiote lany tao anatin’ny Faritanin’I Toliara. Ny andininy faha-103 amin’ny lalàmpanorenena ny antsasaky ny mpikamban’ny Antenimieram-pirenena no mila manasonia ny fangatahana fitsipahana. 48ora ora aorian’ny fametrahana ny tolo-kevitra hotapahina vao azo atao ny latsabato, ary tsy lany raha tsy ny 2/3n’ny mpikamban’ny Antenimieram-pirenena no mankatoa. Raha lany izany dia mametraka ny fialany amin’ny Filohan’ny Repoblika ny Governemanta”.
METY HITSEFOTRA
Mila depiote 51 eo ny Praiminisitra sy ny governemanta hanao tsia amin’io mba tsy hahatrarana ilay 2/3. Politika avo lenta ity ka asa izay hiseho, fa raha ny tsilian-tsofina omaly hariva dia mety hitsefotra indray io. Omaly hariva, nampanantsoina teny amin’ny Arena Ivandry ireo depiote IRD sy ny lohandohan’ny mpisorona ao anaty Fanjakana. Isan’izany tonga teny ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny Birao maharitra, nisy minisitra toy ny Minisitry ny fanabeazana, ny Sekretera jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika Dina Andriamaholy,… Tsy nisy resaka tena nipiaka fa raha ny tsilian-tsofina re dia nisy ny toromarika goavana niantso fiverenan-dàlana. Nanaitra rahateo ny fanesorana indray tao amin’ny pejin’ny Antenimieram-pirenena ilay taratasy fangatahana fitsipaham-pitokisana, izay midika fa ao raha! Na inona na inona hitranga anefa, miharihary ny krizin’Andrim-panjakana.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny