airtel

Politique

10-févr-2023

Politique

Fiverenana an-tanindrazana Ho tafiditra ve RAJAO sa ho voatosiky ny NOTAM ?

Sample post image

Ofisialy nanomboka omaly ny hodian’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina an-tanindrazana, ka rahampitso sabotsy 11 janoary tolakandro no voalaza fa hahatongavany. Efa tany amin’ny faramparan’ny taona

10-févr-2023

2022 no efa re ny hodiany, ary isika teto amin’ny Tia Tanindrazana aza dia efa nanoratra ny 4 febroary 2023 fa hody amin’ity febroary io Filoha teo aloha io. Rahampitso amin’ny 4ora tolakandro no hahatongavany, raha ny loharanom-baovao feno kokoa. « Ela ny ela, tonga ny fotoana ! Ho avy eto an-tanindrazana ny Filoha Rajaonarimampianina ny sabotsy 11 febroary tolakandro. Hotsenaintsika am-panajana sy manetriketrika eny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato sy ao amin’ny QG Andraharo”, hoy ny hafatry ny HVM niparitaka. Akaiky ny fifidianana, ka heverina fa ho isan’ny antony hahatongavany. Heverina fa kandida natoralin’ny HVM, ary efa nangatahin’ny mpikatroka ao anatin’io antoko io ny ho firotsahany. Voafaritry ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana rahateo, fa ny kandida dia tsy maintsy mipetraka eto Madagasikara 6 volana faharafahakeliny mialohan’ny daty farany ahafaha-mametraka ny taratasy firotsahana. Andrasana anefa izay ho fisehony sy fitrangany, ary ny hambarany. “Horaisina amin’ny fanetren-tena, hifampiresaka sy hihaino ny fiarahamonina, ary ny fahatongavany dia mety hahatonga ny olona hidodododo hilaza ny ahiahy sy ny fomba hanarenana ny firenena”, hoy ny Sekretera Nasionalin’ny HVM Rivo Rakotovao tamin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Tsara ny manamarika, fa niala teto an-tanindrazana ity filoha teo aloha ity taoriana kelin’ny fifidianana filoham-pirenena 2018. Toa miendrika fanaovana sesin-tany politika sy tahotra ny fitondrana ankehitriny ihany, saingy any no manamora ny asany, ary tsy sesin-tany politika izy, hoy ny HVM. Tato aoriana, nanambara ofisialy ho mpanohitra ny HVM, ary tany amin’ny desambra 2019 dia nisy ny fihaonana teo amin’i Hery Rajaonarimampianina sy Marc Ravalomanana tany Paris, izay toa tsy dia levon’ny vavonin’ny fitondrana. Ho tafiditra malalaka ve I Hery Rajaonarimampianina sa mety hisy ny sakantsakana? Raha ny loharanom-baovao hafa mantsy, misy fikotrehana NOTAM (Notice To Air Men) any ambadimbadika any, saingy mety miankina amin’ny fepetra mety hapetraky ny fitondrana no hanaovana na tsy hanaovana an’io. Raha tarafina amin’ny fomba fiasa sy ny fihetsiky ny Fitondrana Rajoelina hatramin’izay, ary tsy ho sarotra ny hamorona vesatra tahaka ny hoe: manohintohina ny filaminana anatin’ny firenena. Tsaroana tamin’ny andron’ny tetezamita ny fanakanana an-dRavalomanana tsy hiditra teto, ka voatery navily tany amin’ny firenen-kafa ny fiaramanidina. Nilaza moa I Rivo Rakotovao omaly, fa afaka mivezivezy tsara I Hery Rajaonarimampianina, efa mivonona amin’ny fanasohasoana sy ny filazana hoe resy, mipetraha tsara sy ny maro hafa ny HVM.
FIFANARAHANA POLITIKA
Etsy andaniny, eo anatrehan’ny toe-draharaha politika misy ankehitriny, re fa nisy fifanarahana saika hifanaovan’ireo Filoha teo aloha roalahy sy ny Filoha am-perin’asa saika hatao tany Paris, saingy tsy tanteraka. Nokasaina hatao tao Maorisy saingy tsy tontosa, ka voalaza fa mety hatao eto Madagasikara mba ho mariky ny fiandrianam-pirenena. Andrasana izay mety hiseho satria miha avo lenta ny politika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap