airtel

Politique

01-mars-2024

Fivoahana lava tsy tena misy vokany

Lasa any Turquie indray i Andry Rajoelina

Sample post image

Lasa nisidina any Turquie miatrika ny FDA (Forum diplomatique d’Antalya)

01-mars-2024

andiany fahatelo tanterahina manomboka anio hatramin’ny 4 martsa izao ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina. Nankatoavina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’io, ka tahaka ny mahazatra dia nolazaina fa voaasa manokana hitarika ny delegasionina ny Filoha Malagasy. Hanatrika ny dinidinika mitondra ny lohahevitra : « diplaomasia mahomby ho an’ny fandriampahalemana sy ny filaminana ana », ka ny Filoha Tiorka no hitarika ny fivoriana. Hodinihina mandritra io ireo olana goavana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena hita maneran-tany amin’izao fotoana izao. Eo ihany koa ny fifampizarana fomba mahomby indrindra hanatrarana ny tanjona amin’ny fametrahana rafitra iraisam-pirenena mahomby, mampiaty sy ara-drariny, mba hisian’ny fandriampahalemana, filaminana, fitoniana. Nambara fa hanamafy ny fifandraisana amin’i Turquie ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara. Fomba firesaka efa mahazatra ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra, fisintonana mpampiasa vola, mpiara-miombon’antoka amin’ny resaka asa vaventy sy fotodrafitrasa. Rehefa zohiana amin’ny vokatra anefa, toa ny serasera no mipoapoaka isak’izay mandeha, ary ny fandraisan’anjara hatrany no tena zava-dehibe. Vao ny herinandron’ny 12 febroary teo no nitondra delegasionina zavon-tany tany Dubaï, ary miandrandra mafy ny famatsiam-bola avy amin’ny « Fonds souverains » an’ny Emirats Arabes Unis. Avy eo nikisaka avy hatrany niatrika Fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina nanaovana serasera fatratra ny fihaonana tamin’ny solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena izay noventesina fa mariky ny fahatokisana, ary nandeha hatramin’ny sora-bola 4 miliara dolara mahery. Folo andro mahery kely aty aoriana dia any Turquie indray. Tsy tara mihitsy amin’ny zavatra tahaka itony ny Fitondrana Rajoelina, fa ny vokatra aloha tsy tena hita taratra. Ny sary mitranga, dia toa miezaka mitady hirika etsy sy eroa amin’ny resaka làlam-bola satria sahirana sy toa tsy ambony tsy ambany ilay Fanjakana. Ny politika anatiny tsy tena hita ny fahombiazana : famokarana, famoronana asa, famoronana harena,… Ny diplaomasia sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena marefo, hany ka tsy marisika ny mpamatsy vola sy ny mpampiasa vola. Tehamaina mandrivorivo ho an’ny fitondrana ohatra ny tsikera nataon’ny Solontenan’ny Vondrona Eoropeanina izany hoe : ny Firenena Tandrefana mikasika ny resaka lalàna momba ny famosirana izay nolazain’izy ireo fa tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana sy ny fifanarahana iraisam-pirenena ; ny raharaha fitantanana ny volan’ny FR (Fond Routiers) izay tsy mazava miaraka amin’ny fahapotehan-dàlana haingana dia haingana kanefa vola tsy toko tsy forohana no natonton’ny mpamatsy vola ka mahakivy azy ireo ; ny tsy fanajana sy tsy fanarahana ireo fepetra momba ny fanajana ny demokrasia toy ny fanatsarana ny fifidianana ; ny fanajana Fanjakana tsara tantana,… Fepetra ivoahan’ny famatsiam-bola ireny ka sarotsarotra, hany ka miezaka mitady làlana amin’ny tantsinana, saingy ny fampanantenana ihany koa no betsaka, ary mety henjana ny tambiny. Ny dikany dia lany andro mihodinkodina eo !
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap