airtel

Politique

23-févr-2023

Politique

Fivoriana teny Iavoloha Fihetsiketsehana re izao e !

Sample post image

Hafa tsy tahaka ny mahazatra ny endrika nisehoan’ny fanovana mpikamban’ny governemanta ny alatsinainy 20 febroary lasa teo. Somary mampametra-panontaniana hoe:

23-févr-2023

teto an-toerana ve ny Filoham-pirenena tamin’io fotoana io sa tsia? Tena ireny ve ny isan’ny olona nokasaina hosoloina? Omaly 22 febroary 2023 nialohan’ny filankevitry ny minisitra vao nisy ny fiaraha-maka sary tamin’ny Filoham-pirenena, ary naverina nampahafantarina sy nilazalaza ny vinany sy ny programany ireo Minisitra. Nandritra io no nilazan’I Andry Rajoelina fa fomba fiasa vaovao indray no atao, ny minisitra tsirairay dia hametraka tetiandro amin’ny zavatra ho vita sy ho tazana eo amin’ny minisitera tsirairay, ho tsapa ao anatin’ny 3 sy 6 volana. Misy ny velirano ankapobeny fa misy velirano manokan’ny Minisitera. Ohatra noraisiny ny hoe: rahoviana no hanomboka ny làlampirenena RN2, RN4, RN7,… Ahoana ny tetiandro, mila mangarahara, lazaina ny tetiandro mazava hanombohany sy hahavitany, tsy mahamenatra ny milaza hoe: hanomboka afaka 2 volana,... Raha izany: nahoana no tsy vitany ny RN13 efa tamin’ny 2020 no nolazaina fa hanomboka? Mby aiza ny pipeline any Atsimo? Aiza ho aiza ny Tanamasoandro handraisana ny lalaon’ny Nosy 2023? Aiza ny orinasa Gasycar efa tany amin’ny 2 taona lasa? Tahaka ny hoe: governemanta vao mijoro taorian’ny fahalanian’ny Filoham-pirenena ny fihetsiketsehana aty amin’ny 6 volana farany tsy hahataperan’ny fe-potoana iasana, ka mbola mifototra sy miaina amin’ny fampanantenana hatrany. Efa aty amin’ny fiafarany, mbola mandeha ny fiezahana mitanisa an’izao sy izatsy, raha toa ka efa fandrefesana ny fahombiazana sy ny tsy fahatanterahana sisa no tena tokony hamaritra ny fiafaran’ny taom-piasana. Hatramin’izao anefa mbola ao anaty fitanisana velirano rehefa tena zohiana sy halalinina. Tena hisy ve ny fahagagana taorian’ny nanovana mpikamban’ny governemanta hiatrika ny 6 volana farany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap