airtel

Politique

15-juin-2021

Politique

Fivoriana tsy ara-potoana “tsy lera” Niara-nitory ny TIM, Komba ary IRK Clémence

Sample post image

Rava maina ny fivorian’ny Filankevitra Monisipaly eo anivon’ny Kaominina Antananarivo omaly.

15-juin-2021

 

 Notondroin’ireo mpanolontsaina maro an’isa miisa 28 nahitana ny TIM, Komba, ary I Clémence Raharinirina IRK ho tsy ara-dalàna ny fivoriana tsy ara-potoana, nikasan’ny Birao sy ny mpanatanteraka hatao hoenti-mandany ny tetibola nasiam-panintsiana. Ny lalàna 2014-020 ao amin’ny andininy faha-83 moa no maneho fa indray mandeha isam-bolana ihany ny fivoriana tsy ara-potoana, ary tsy afaka mivory mihoatra ny telo andro ny mpanolontsain’ny tanàna. Nambaran’izy ireo anefa, fa efa nisy ny fivoriana ny 2-3-4 jona, dia izao indray mandeha ny fiantsoana izay voalaza fa noho ny hamehana. “Ny Filohan’ny Filankevitra (PCM) anay dia mitaky foana hoe ambany lalàna, ka anjaranay indray izao no miteny hoe hajao ny lalàna, hoy ny mpanolontsaina TIM. Fivoriana tanterahina iray andro no saika hatao omaly. “Firy andro ary izahay mandinika ny tetibola lasitra (budjet primitif) sahirana. Tsy maintsy natao ny fivoahana mba tsy hisian’ny faharesena amin’ny latsa-bato miafina. Ny lalàna dia mazava hoe tsangan-tànana, saingy matetika terena ho latsa-bato miafina foana, ary mikimaky. Nitondra ny raharaha avy hatrany eny amin’ny fitsarana ireo mpanolontsaina ireto. Tsy tratra ny “quorum” na ny isan’ny mpanolontsaina ilaina, kanefa ny lalàna dia afaka miantso fivoriana manara ary izay tsy tonga tsy tonga, ka io no antony nametrahana fitoriana any amin’ny fitsarana mahefa”, hoy Rtoa Clémence Raharinirina.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap