airtel

Politique

21-janv-2021

Politique

Fizarana seza Adino tanteraka i Kaleta

Sample post image

Mba efa saika nahazo toerana avokoa ireo tao anatin’ny Vondrona ARMADA

21-janv-2021

 

 

 

 

(Alliance Républicaine pour Madagascar) izay isan’ny nanampy sy nanohana ny kandida Rajoelina tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena ankoatra an’Atoa Soja Jean André dit Kaleta, mpanorina sy mpitarika ny antoko “Lia raiky”, isan’ireo tao anatin’io vovonana ARMADA io. Ny jeneraly Camille Vital (Hiaraka isika) lasa ambasadaoro any Maorisy, Atoa Jean Louis Robinson (Avana) lasa Ambasadaoro any Chine; Atoa Georget Alexandre (Maitso) efa teo amin’ny toerana maha minisitry ny tontolo iainana, Atoa Norbert Lala Ratsirahonana mpanolontsaina manokan’ny Filoham-pirenena, Atoa Herimanana Razafimahefa tao anatin’ny Grad Iloafo io lasa Filohan’ny antenimierandoholona io. Adino tanteraka ve i Kaleta sa efa nisara-dàlana? Ny volana novambra 2020 dia naneho hevitra tamina onjam-peo iray tany Taolagnaro izy. « Ohatry ny tany tsy misy fanjakana i Fort-Dauphin. Mampitandriny, fa lany daty ny vandivandy ataonareo. Rehefa tsy hiasa ianareo ao amin’ny « commerce » dia mialà, manaova fametraham-pialana », hoy Atoa Kaleta tamin’izany.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap