airtel

Politique

16-déc-2021

Politique

Florent Rakotoarisoa - Filohan’ny HCC “Toy ny baolina io, izay resy milaza fa miangatra ny mpitsara”

Sample post image

Naneho hevitra momba ny adihevitra samihafa mikasika ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Vaomieram-pirenena momba ny fifidianana (CENI) ny Filohan’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa omaly.

16-déc-2021

 Maro moa no manahy, fa hitongilana amin’ny Fitondrana ankehitriny ireo rafitra miantsoroka ny fitantanana sy fitsarana ny fifidianana ireo. Naneho anefa ny Filohan’ny HCC fa tsy miditra amin’izany fa manaraka amin’izay voalazan’ny lalàna. “Raha mikasika ny fanakianana, dia iarahantsika maheno. Tsy manan-kambara izahay ato amin’ny HCC, mijery hoe ara-dalàna sa tsia. Ara-dalàna tsy misy “recours”. Mahaleo ten any CENI, fa hisy ny tolotananay ataonay, tsy hoe ny HCC no hibaiko ny CENI. Mba hamolavolana ny pakiady tsy hampihenana ny halabato”, hoy izy. Tsy nihambahamba moa ny Filohan’ny HCC, fa tahaka ny baolina ihany io, ka indraindray izay resy dia milaza fa mangalatra ny “arbitre” na ny mpitsara. Tena hiezaka tokoa izahay mba tsy haha be resaka intsony mahakasika ny fifidianana, fa hijoro araka ny lalàna sy ny rariny. Mety hisy ny rafitra ikambanana mikasika ny ady amin’ny halabato izay manakoronana, hoy ny Filohan’ny HCC. Ny toky fitaka, fa ny atao no hita, ka dia miandry ny rehetra. Ambony kokoa anefa ny ahiahy noho ny endrika nahatongavan’izy ireo teo amin’ny toerana sy ny fifandraisany amin’ny Filoha sy ny fahefana mpanatanteraka. Ny Filohan’ny HCC dia tsiahivina fa efa minisitra tamin’ny andron-dRajoelina nitondra ny tetezamita, ny Filohan’ny CENI ankehitriny efa avy mpikamban’ny HCC notarihin’Atoa Jean Eric Rakotoarisoa izay nilaza ilay hoe: “azo raisina fa tsy mitombina” ny fitorian’ny mpanohitra. Adihevitra tamin’ireny ny hoe: fitoriana efa ho 700, mpahay lalàna maro, parlemanta maro,… no nandrafitra azy, saingy nolavina avokoa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap