airtel

Politique

14-oct-2022

Politique

FMI Malagasy “Tsy afaka mitantana an’I Madagasikara ny fanjakana”

Sample post image

Tsy misy tsy miteny hoe ny fahefa-mividy no olana voalohany eto Madagasikara, hoy ny antoko politika FMI malagasy na Fahefa-mividy izao no ilain’ny malagasy.

14-oct-2022

Raha vao tany tsy manana fahefa-mividy ny vahoaka dia mangalatra ny olona, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Jacques Ratsietison. Raiso fotsiny hoe Seychelle na Maorisy izao nidina be ny fahefa-mividy dia mangalatra eny amin’ny tsena lehibe ny mpiasam-panjakana dia tratra eny nefa olona tsy mpanao izany. Mitsotra hoe aza entina any amin’ny polisy rangaha ity fa vao entinareo any dia very asako a! Izany no mahazo ny olona. Eto Madagasikara ianao raha manorina orinasa ka mampiasa olona miisa 4 dia mila mpiambina miisa 4. Vao mivoaka ilay olona dia mila savaina. Fanambaniana! 100% izany ahiana hangalatra daholo. Resaka fahefa-mividy io fa tsy hoe mpangalatra ny malagasy. Fahefa-mividin’ny vola aloha, izany hoe, raha mahazo 20.000 Ariary ianao anio dia hoy ny olona hoe tsy misy dikany fa vaky tsy misy ambiny intsony ny ampitso. Dia hoe sarotra nefa ny mahazo 20.000. Mila akarina izany aloha ny fahefa-mividin’ilay vola. Rehefa ampidinina amin’ny ¼ ny vidim-piainana dia vahaolana atolotry ny FMI malagasy ny fitondrana ny hoe manaova didim-panjakana manafoana ny MID sy mamerina ny tahabola tsy miovaova. Akarina 200% ny sandam-bola dia midina amin’ny 1/4 ny vidin’entana afarana any ivelany. Lasa mahazo entana 4 avo heny amin’izay ny 20.000. Eo no miditra ny hoe fahafaha-mividy. Ilay asa omena ireo olona io. Fepetra azo atao rehefa foana ny “flottement” ny hoe 30.000 Ariary isam-bolana dia mahazo trano. Mila manofana olona mpanao taotrano aman’alina isika no dikan’izany. 28 tapitrisa tsinona isika raha hanao trano daholo. Azo atao izany satria midina amin’ny ¼ ny vidin’entana. Hitarina hatrany amin’ny 60 taona ny findramam-bola rehefa manao trano. Na ataontsika hoe olona 40 taona aza amin’ny voalohany no hiindrana 60 taona, izany hoe, 100 taona vao tafaverina ilay vola, dia omena izy fa efa asiana antona na “close” daholo any amin’ny findraman-trano dia mifindra amin’ny taranany ny trano sy famerenam-bola. Tokony hampiditra mpiasam-panjakana miisa 1.150.000 amin’izay ny fanjakana. 250.000 izao no isan’ny mpiasam-panjakana eto Madagasikara. Isika 28 tapitrisa. Tsy ampy 1%n’ny malagasy na 280.000 isa akory izany ny mpiasam-panjakana eto. Tsy afaka mitantana an’i Madagasikara ny fanjakana. Porofo, tsy ampy ny fadin-tseranana dia atao tsy miankina. Tsy ampy ny zandary. Tsy ampy ny polisy. Tsy ampy ny mpiasam-panjakana. I Etazonia aza kapitalista voalohany eto an-tany fa 7%n’ny mponina ny mpiasam-panjakana any. Any Eoropa 8 hatramin’ny 10%. Any amin’ny firenena skandinavy tafakatra hatramin’ny 12%, hoy hatrany ny FMI Malagasy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap