mpitandro ny filaminana azy nanomboka ny takarivan’ny zoma lasa teo. Voalaza moa tamin’izany fa nampanantsoina tao amin’ny Toby Ratsimandrava, ary tao no nalaina nentina teny Fiadanana. Naharitra ora 4 tany ho any ny fihainoana azy tao amin’ny fampanoavana omaly, raha ny fanamarihana re. Voalaza fa nanda hatrany ny fiampangana azy ho nanao fiantsoana ny tafika hikomy na “incitation de révolte militaire” I Foutsie Tsotsy fa fanehoan-kevitra amin’ny handraisana andraikitra. Taorian’ny fihainoana azy, navotsotra ny tenany, saingy napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana na « sous-contrôle judiciaire », ka amin’ny 20 oktobra izao didim-pitsarana momba azy. Tsara ny manamarika fa sesilany antso avo, eny fa hatramin’ny fampitandremana aza mikasika iny fitazonana iny sy ny raharaham-pitsarana azy. Isan’ny nampiaka-peo ireo avy any amin’ny Sud Est izay naneho, fa handray fepetra raha toa ka misy ny fandetehana ny zanak’izy ireo. Naneho ny fanohanana azy mivantana na ankolaka ihany koa ny kandida ho filoham-pirenena sasany eo anatrehan’ny endrika fampitahorana sy fanenjehana ny mpaneho hevitra, kanefa betsaka ireo raharaha goavana iniana hikipiana.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby