airtel

Politique

03-mars-2026

Front de libération national

«Fotoana izao hanafoanana ny

Sample post image

rijanteny mamatotra an’i Madagasikara rehetra»

03-mars-2026

Efa nilaza nialohan’ny nilazàn’ny fitondràna hoe hamoaka tondrozotra na «feuille de route» izy ny FLN na Front de libération national fa mety hampihomehy raha fandaharam-potoana na «emploi du temps» no hivoaka eo, hoy ny mpandrindra nasionaly ny FLN, Iada Jean Pierre. Izany hoe famerana ny fotoana rehetra mandritry ny fanatanterahana izay 29 volana izay, hoy izy. Izay no hita foana natolotry ny minisitra nikarakara fikaonandoham-pirenena hatramin’izay tsinona. Raha efa niteny an’izay tamin’ny rosianina na frantsay izy hoe vonona hanolotra ilay tondrozotra ho an’ny SADC dia gaga ihany ny FLN satria fantantsika tsara fa ny firenena tsirairay fia samy manana ny fomba fihinanany hanina. Ny malagasy mihinam-bary amin’ny sotro. Ny sinoa misakafo amin’ny bagety. Ny eoropeanina amin’ny sotro rovitra. Ny miozolimanina amin’ny tanana. Izay no fenitra amin’ny fihinanany hanina. Manana ny fenitrany koa ny firenena rehetra mikasika ny famolavolany izany atao hoe tondrozotra izany. Ity resahantsika ity tondrozotra ho an’ny SADC, izany hoe, manaraka ny fepetra rehetra amin’ny tondrozotran’ny SADC no angatahan’ny frantsay na rosianina na fianakaviambe iraisampirenena fa tsy tondrozotra manaraka ny heritreritry ny malagasy. Raha tondrozotra manaraka ny heritreritry ny malagasy no heritreretin’ny malagasy itondràna ny firenena dia tsotra kely, miala tsy ho ao anaty SADC aloha izy. Miala tsy miankin-doha amin’ny fianakaviambe iraisampirenena mba tsy ahafahan’ireo mibaiko azy. Diso be ny fiheritreretana hoe rehefa tsy hiankin-doha amin’ny vahiny ianao amin’ny fanaovana ny zavatra rehetra eto amin’ny firenenao dia hoe lasa miolonolona. Aoka ho fantantsika tsara fa ny sinoa, japoney, frantsay, kaomorianina dia samy manapaka ny fahefa-panjakàny, araka ny hevitry ny olona ao aminy. Tsy miteny tsinona ianao hoe tsy hiaraka amina firenen-kafa na fianakaviambe iraisampirenena fa ny ataonao dia ny tsy miantehitra aminy rehefa misy fanapahan-kevitra ho an’ny firenenao. Ny antsika ny olana dia hevitr’ilay olona mihitsy, hatramin’ny fanompoana ilay olona, satria aterina any aminy mihitsy ilay tondrozotra fa tsy aterina amin’ny vahoaka malagasy. Izany no tena tsy ekena. Ny filoham-panjakàna nilaza fa nanatitra ny zava-bitany tany amin’ny SADC sy nanatitra ny vinavinan’asany mandra-pahatongan’ny fikaonandoham-pirenena. Maninona no hoe ny SADC no andrasana hamoaka izany ho an’ny vahoaka malagasy? An’ny SADC i Madagasikara sa an’ny vahoaka malagasy? Anjaran’ny vahoaka malagasy no manatitra izany amin’ny SADC raha ilaina na tsia. Fotoana izao hanafoanana ny rijanteny mamatotra an’i Madagasikara rehetra. Hatramin’izao ny didy folon’i Jacques Foucard dia mbola mihatra eto Madagasikara. Efa napetrany nialohan’ny nialàna tamin’ny fanjanahantany nefa izany. Isan’izany, ohatra, ny fandraisan’anjaran’ny miaramila frantsay amin’ny fanofanana ny miaramila malagasy. Mbola mitoetra hatramin’izao ny antsoina hoe «coordonnée Laborde», izay mametra ny malagasy amin’ny fananan-tany. Ny ankabeazan’ny ady tany eto dia ireo tany nobodoin’ny voanjo teo aloha. Miverina mivarotra sy maka azy izy izao ka lasa tompony mangataka atiny ny vahoaka malagasy. Toy izany koa ny tsy famelany ireo nosy manodidina na «Iles éparses» izay antsika. Hatreto dia teny filamatra fotsiny aloha ny fikaonandoham-pirenena. Mbola tsy mahafantatra ny tena hodinihina amin’izany isika hatramin’izao. Mbola tsy fantatra hoe inona ilay ovaina? Mila fanapahan-kevitra androany dia androany isika, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap