Front de libération national na FLN. Izany hoe rehefa manao politika ianao, hoy ny mpandrindra nasionalin’izy ireo, Iada Jean Pierre, ka ivelan’ny firenenao no hanaovana azy dia diplaomasia no fiantso azy. Ny paikady rehetra atao amin’izany, hoy izy, no antsoina hoe stratejia diplaomatika. Fandresena diplaomatika ve ny nandraisantsika ny COI? Tsia avy hatrany no valiny! Saika asa fanaon’ny AFD sy ny karazany rehetra isan-taona ihany no natao sonia tao Andafiavaratra. Tsy dia nihoatra firy ny vola fanomen’ireo fikambanana rehetra ireo ny firenena malagasy no nomeny fa misy latsaka kely aza. Nihemotra izany ny fandresen-dahatra nataonao no dikan’izany. Ny manahiran-tsaina tamin’ny diplaomasia nampiasaintsika tamin’ny fahatongavan’i Emmanuel Macron dia saika fangatahana vonjy, fanampiana, fiheritreretan’ny filoham-pirenena fa isany hitondra fanampiana lehibe ho an’i Madagasikara hahatafavoaka an’i Madagasikara amin’izao fahantrana izao no ho entin’ny filoha frantsay na firenena frantsay. Diso indrindra izany satria ny fahantrana na fahasahiranan’ny firenenao dia ianao ihany no tokony ahita ny paikady rehetra ialàna amin’izany. Fanampiana na filàna vonjy amin’ilay paikadinao sisa ilainao avy any ivelany. Varotra nefa no tokony noresahin’i Madagasikara tamin’ireny sy tamin’ny COI. Marina fa anaty fahantrana ara-bola ho kirakiraina isika fa anaty fananana harena kosa. Mbola manan-javatra be dia be azontsika amidy araka ny tokony ho izy izany isika dia izay no ilàna fandaminana. Tsy ny frantsay mihitsy no tokony hiteny hoe tokony hahazo anjara amin’ny «terre rare» na fasimainty sy ny tahaka izany fa isika malagasy no tokony hametraka hoe izahay mivarotra «terre rare» aminareo izao no fepetranay ka mety aminareo sa tsia! Ity fitondràna ity nefa tsy azo atokisana amin’izany satria ny harena an-kibon’ny tany, volamena, efa teo am-pelantanan’ny fanjakàna aza lasa vy tampoka teo. Efa nanome ohatra ratsy betsaka amin’ny fanaovana gaboboraraka harem-pirenena izao fitondràna izao! Inona moa no antony angatahantsika vola mikasika ny lalam-by any amin’ny frantsay. Ny fikojakojàna ny lalana eto amintsika izay misy vola mazava na FER, izany hoe, «Fond d’entretien routier» aza niova ho «Fond routier». Lasa tsy voakojakoja mihitsy izany ilay lalana tokony ho kojakojaina fa miha potika. Zara fa lalana 50 na 60km no vita. Ny maha filohan’ny SADC ny filoham-pirenena indray dia marika na «symbolique». Ny rehetra no miara-manapa-kevitra ao satria toerana ifandimbiasana io. Isan’ny matiantoka indrindra ao aza isika satria mifampiankina amin’ny COMESA io. Toy izany koa ny COI. Isika ilay ho ampiasaina. Ilay tanibentsika mihitsy no ampiasaina ambolena. Tsy fantatry ny frantsay mihitsy hoe tsy mifantoka amin’ny fambolena ny fampianarana eto. Tsy misy tombony azontsika amin’ireny fikambanana ireny nefa dia manao sonia izay fifanekena ao foana isika. Tsy mbola nisy fandresena diplaomatika azon’i Madagasikara izany hatreto, hoy hatrany ny FLN!
J. Mirija
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny