hoy ny mpandrindra nasionalin’ity antoko ity, Iada Jean Pierre, nahavita iny fifidianana solombavambahoaka iny. Tao anatin’ny fahendreny, hoy izy, ny vahoaka malagasy na dia teo aza ny zava-maro mety miteraka korontana sy fankahalana ary ady. Niezaka ho tony foana ny vahoaka tao anatin’izany rehetra izany ary niarahantsika nahita fa amin’ny ankapobeny dia azo ambara hoe nilamina ny fizotran’ilay fifidianana. Nisy ihany ny zavatra nety nampikorontana nefa samy niezaka nanetry tena na nampitony an’izany isika.
TSY MARIN-TOERANA
Ny zava-dehibe dia hoe tsy niroso tamin’ny ady an-trano na rà latsaka ny firenena fa tsy ny hoe niroso tamin’ny tsy fanarahan-dalàna akory ny fifidianana. Maro ny zava-niseho. Ny FLN dia isan’ny mpikambana anatin’ilay hoe «Diovy i Madagasikara», izay manana an’andriamatoa Guy Maxime Ralaintseheno ho mpandrindra nasionaly. Efa nilaza tamin’ny vahoaka malagasy izahay fa tsy misy fiovana ny fifidianana eto Madagasikara raha mbola io rafitra amin’izao io sy ny fepetra entina itondrana ny zava-misy amin’izao io no itondrana ny fifidianana. Tena mandeha amin’ny tsy ara-dalàna foana ary mandeha amin’ny halabato foana ary rentsika ombieny ombieny ireo tsy fanarahan-dalàna sy halatralatra rehetra efa noteneninay hatramin’izay ka nahatonga anay hanangana ny hoe «Diovy i Madagasikara». Voaporofo mazava izy tamin’ity fa tena mbola mitoetra ary miha mafimafy kokoa aza satria niarahantsika nahita fa ny filohan’ny repoblika izay an’ny malagasy rehetra dia nanana fironana hivondrona hoe isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. Raha ny fironan’ny voka-pifidianana teo aloha dia hitantsika fa mbola misy fironana miisa 2 ngezabe eto amin’ny tany sy fanjakana dia izay miaraka amin’andriamatoa filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, izay mbola mitana ny sain’ny maro satria nahongan’ilay faharoa dia ireo miaraka amin’andriamatoa Andry Nirina Rajoelina. Hitantsika koa anefa fa miakatra sy mitombo tsikelikely ireo olona ohatran’ny hoe milaza fa leo ireo olona ireo ary tsy manana fironana mankaiza dia ireo ataontsika hoe mahaleotena na «indépendant». Raha ny fironana hita aloha dia tsy hanana ilay antsoina hoe fahamarinan-toerana politika na «stabilité politique» mihitsy ny fitondrana ankehitriny satria tena mifandipatra be amin’ny tokony hahazoana izany ny voka-pifidianana misy ankehitriny, hoy hatrany ny Front de libération nationale.
J. Mirija
nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,
Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay
Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady
Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron
Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina
Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny