Ny tenany izay tsiahivina fa nosamborina sy naiditra am-ponja nanomboka ny 16 jolay 2020. Notondroina ho tao ambadiky ny hetsi-pitakiana ny famoahana an’i Berija Ravelomanantsoa teny Ambohipo ny 13 jolay 2020. Nenjehina ho manohintohina ny filaminana anatin'ny firenena, ary nohelohin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany higadra 44 volana an-tranomaizina sazy mihatra ny 15 oktobra 2020. Nanao fampakarana ny mpisolovava, saingy tsy nahazo rariny izy fa mbola nohamafisin’ny fitsarana ambony io sazy io tamin’ny volana may 2021. Voalaza anefa fa efa nibaboka sy nanatsoaka an’I Rolly Mercia ho tsy tafiditra amin’ilay raharaha tetsy Ambohipo ilay tovolahy voalaza fa nasaina nanonona ny anarany. Tetsy andaniny, nisy ihany koa ny raharaha ampamoaka samihafa nataony niresaka aferan’ny mpitondra ankehitriny, ny nijoroany ho vavolombelona mikasika ny raharaham-pitsarana momba ny mpandraharaha mantanjaka iray tany amin’ny Fitsarana Frantsay, izay voalaza fa efa nasaina notsoahiny ho tambin’ny fahafahany, kinanjo tsy izay no nitranga. Io no heverina fa isan’ny mbola handetehana azy sy tsy maha afa-bela azy mandrak’ankehitriny satria tena olona henjana eto amin’ny firenena no voalaza fa sosotra taminy. “Henoko fa miharatsy ny toe-pahasalaman’ny Minisitra teo aloha, tazonina am-ponja noho raharaha politika azo iadian-kevitra. Lavin’ny governemanta anketrihiny ankitsirano ny famelana azy hanaraka fitsaboana araka ny tokony ho izy. Ny lonilonareo sy ny fankahalana hatramin’ny tsinaimainty ny mpiray tanindrazana dia tsy hahasoa anareo Tompokovavy sy Tompokolahy. Tompon’andraikitra feno raha maninona na maninona io olona isan’ny Malagasy tena manana ny maha izy azy io”, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Roberto Sambahita tao amin’ny tambajotran-tserasera nataony tamin’ny teny vahiny ary nadika malalaka tamin’ny fiteny Malagasy. “Marary mafy Rolly Mercia! Fitondrana feno fankahalana tsy mijery ny maha olona no mpanapotika fiainan’olona. Hanenenanareo atsy ho atsy ny ratsy vitanareo teto amin’ity firenena itty. Vonoina ankolaka ho faty mihitsy ilay olona satria mahalala “secret”-nareo mianankavy. Tsarovy fa tadidinay vahoaka ianareo rehetra ireo ary samy hotsarain’ny tantara eto”, mpandraharaha Malagasy miasa sy monina any France, raha ny fahafantarana azy.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.