ary ao ihany koa no misy fanenjehana tsikaritra ho misy dian-tanan’ny olona mpiara-dia na ao anaty Fitondrana. Anisan’izany ry Ninie Donie Filoha Lefitry ny RMDM any Nosy Be Hell Ville, izay nijoro teo anatrehan’ny fahatsapana fakana tanim-bahoaka tsy ara-drariny. Nihinana kely tany am-ponja ry Afakandro Chistian izay mpampaneno lakolosy tao Mahajanga, ary izay tratry ny sazy mihantona. Nahita ny maizina I Beharinirina Marcelin izay niantso vahoaka hidina an-dalambe haneho ny tsy fahafaliany amin’ny fitondrana. Tsy basy mipoaka, tsy orinasa voaroba, tsy Fanjakana miongana, kanefa dia nalentika any am-ponja ry Stanley Ramarivelo, eny fa hatramin’ny reniny aza lasibatra satria nesorina tamin’ny asany. Nidoboka any am-ponja ry Mahery Lanto Manandafy rehefa nanao ampamoaka fa misy vazaha mpamatsy bala ary misy mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika nitononiny ho mpiara-miombon’antoka, ary nisy olom-boafidy ihany koa. Toa tsy noraharahiana ny fitoriana, fa izy no nampanginina sy nanao krisimasy tao am-ponja. Tato aoriana, mipoitra ny horonan-tsarin’ny depiote iray ao anatin’ny Faritra Menabe mizara bala aman’olona, milaza fa izy no nomen’ny Prezida fahefana ka tsy misy afaka mikitikitika ireo olona nomeny bala, ary antsoina izy raha misy manao izany. Fahefana avy aiza no ahafahan’ny depiote mizara bala? Ny tato ho ato ireny, fa betsaka ireo efa hatry ny ela tahaka an-dry Mbola Rajaonah izay tsy ampy iray volana taorian’ny nahatongavan-dRajoelina teo amin’ny fitondrana no nosamborina, ary misy feo nivoaka avy any anaty Fanjakana fa tsy hamelana raha tsy ritra ny volany. Tahaka izany ihany koa ry Berija Ravelomanantsoa, izay fanehoan-kevitra tamin’ny Facebook no nandetehana azy ary nohelohina 44 volana an-tranomaizina. Tahaka izany ihany koa ny Minisitra Harry Laurent Rahajason, izay ny olona nijoro vavolombelona nandetika azy aza nandiso sy nitsotra fa tsy tafiditra anatin’ny raharaha izy, saingy nalentika any am-ponja miandry izay hialan’ity Fitondrana ity eo amin’ny fitantanana. Efa nalentika tany am-ponja ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa, avy eo navoaka sy nanaovana serasera hoe: famelan-keloka avy amin’ny Filoham-pirenena. Mitovitovy ny vesatra amin’ny ankapobeny ka matetika lazaina fa nanohintohina ny filaminana anatin’ny firenena ireny olona ireny. Mora ny mandetika sy mamotika fiainan’olona ho an’ny Fanjakana Rajoelina, fa jamba sy pahana ary tena mody adala kosa eo anatrehan’ireo afera maizina mahasaringotra mpitondra: volamena 36 kg nanjavona tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany, raharaham-pitantantana ara-bola maro tamin’ny coronavirus, ny raharaha SMMC Toamasina, ny naha banky ropitra ny Air Madagascar, ny fitantanana tsy nanjary tao amin’ny CNaPS .
Toky R
Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly
Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.
Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana
Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina