Atoa Gérard Andriamanohisoa. Niezaka ny fitondrana hatramin’izay namaha ny olana. Nanao isika ny 2006 ny Boulevard de Tokyo, ny Fitondrana Ravalomanana no nanao izany. Nanao isika ny Rocade Ivato Ambohitrimanjaka tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, nanao isika ny Rocade d’Iarivo izay ity fitondrana ity no namarana izany. Fitadiavam-bahaolana daholo izany? Tsy nisy nametra-panontaniana hoe: nandaniana 145 tapitrisa euros ka firy ny olona tateriny? Mifandraika amin’izany ve ny fanonerana sy ny fiara mandalo eo? Tsy azo ampandeferina ny famahana ny olana eto Antananarivo. Izao mipoitra ity tetikasa maoderina ity, matotra, tsy misy fandrodanana trano, tsy mila flyover 10,… hoy izy. Nambara ihany koa fa tsy afa-misaraka ny “Train urbain” sy teleferika, ary efa mandeha ny dingana ho an’ny train urbain amin’izao. Mikasika ny adihevitra amin’ny fiangonana katolika, dia nilaza i Gérard Andriamanohisoa, fa nisy ny alatsinainy teo ny fihaonana tamin’ny Mopera Jesoita ao amin’ny Saint Michel sy Analamahitsy izay hisy “pylones” telo ihany koa. Tsy misakana ny tetikasa ny avy amin’ny rafitry ny fiangonana, fa mizara miharihary sao misy vahaolana teknika momba ny fametrahana ny “pylones”. Ny teo amin’ny Saint-Michel dia vahaolana ny famoahana ny “pylones” eo ivelany, araka ny fanazavana. Ny Gara 12 dia tanim-panjakana avokoa. Nambara fa azo antoka ny orinasa Poma hanatanteraka ny asa, ary misy fiantohana na « assurance » ny teleferika. Momba ny hoe hitatitra olona 40000 isan’andro dia nambara fa kaonty ambany aza izany satria 700 000 ny olona mifamezivezy eto Antananarivo isan’andro. 1,5 tapitrisa ny mponina eto Antananarivo Renivohitra, ary 1,750 tapitrisa ny manodidina. Manodidina ny 2 tapitrisa ny mivoaka sy miditra isan’andro. Cabines 280 ny totaliny no hampiasaina, ary hiasa ao antin’ny ora maro. Telo volana taorian’ny fifanaovan-tsonia no manomboka ny tena asa fanamboarana farahatarany, ka efa lasa lavitra kokoa ny dingana fanamboarana ny “Ligne Orange”, hoy Atoa Gérard Andriamanohisoa.
Toky R
Légende : Ny Minisitra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny tetikasan’ny Filoha niaraka tamin’ireo solontenan’ny Poma sy ny Colas hanatanteraka ny teleferika
Manahiran-tsaina tanteraka sy tena mampanofy ratsy ny Fanjakana ankehitriny Atoa Marc Ravalomanana, izay atahorana mafy ara-politika. Arakaraka ny hihetraketrahana azy no toa vao mainka mampahazo vahana azy.
Mangingina tsy re feo firy indray ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Ntsay Christian. Tsy dia hita tabilao firy, ary efa matetika io.
Nivoaka omaly ny gazety boky Demokrasia laharana faha 13 izay famoakan’ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy tany tan-dalana na HCDDED isan-telo volana.
Isany voaresaka ato amin’ny laharana faha 13 amin’ny gazety boky Demokrasia izay navoakanay, hoy ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalana na HCDDED tetsy amin’ny biraon’izy ireo
Mampahatsiahy ny 20 taona dia ny 2002 izay fotoana nampamaivay ny raharaham-pirenena teto amin’ny tany sy ny fanjakana ankehitriny, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Tambohobe,
Herintaona sy tapany sisa hananan’ny Fitondrana Rajoelina hanatanterahany ny veliranony, hanentsenana ny lavaky ny tsy fahaiza-mitantana. Ho sarotra izany, raha tarafina amin’ny fomba fiasa hatramin’izay.