airtel

Politique

26-janv-2024

Governemanta

Dedaka manolotra «PGE », tsy hita rehefa hitatitra ny asa vita…

Sample post image

Anisan’ireo fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia

26-janv-2024

lasa teo ny fampiantsoan’ny governemanta fivoriana tsy ara-potoana ho an'ny Antenimiera roa tonta, manomboka ny 29 janoary izao. Tsy mihoatra ny 12 andro ny fivoriana, izay handinihana ny lahadinika efa voafaritry ny filankevitry ny minisitra. Tafiditra ao anatin’izany ny hanolorana sy hampahafantaran’ny governemanta mampahafantatra ny programa fanatanterahana ny Politika ankapoben'ny fanjakana na PGE, izay hataon'ny Governemanta, izay didian'ny Lalàmpanorenana. Ao anatin’ny 30 andro nanendrena azy no anoloran’ny Praiminisitra ny fandaharan’asany momba ny fampiharana ny politika ankampoben’ny Fanjakana na « PGE » amin’ny antenimiera izay afaka manome tolo-kevitra, araka ny voalazan’ny andininy faha-99 amin’ny lalàmpanorenana. Ny lalàmpanorenana aloha izany no manery an’io, fa raha ny voafaritry ny andiny faha-101 amin’io lalàmpanorenana ihany koa anefa ny hoe : « Isaky ny fiandohan’ny fivoriana ara-potoana voalohany no anoloran’ny governemanta amin’ny antenimierampirenena ny tatitra momba ny fandaharan’asany. Arahina adihevitra mahakasika ny asan’ny governemanta sy ny fanombanana ny politikam-panjakana ny fanolorana. ». Marina fa taom-piasana vaovao ity, saingy ny Praiminisitra tsy niova, ny minisitra saika tafaverina na misy aza ireo vaovao, kanefa dia marihina fa tsy noraharahiana io ny resaka tatitra sy adihevitra taorian’ny fifandirana teo amin’ny governemanta sy ny antenimierampirenena ny desambra 2022 nisian’ny fitsipaham-pitokisana. Fifaranan’ny fotoam-piasan’ny Filoham-pirenena sy fifaranan’ny taona ny 2023, fahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena, izay niandrasan’ny depiote ny governemanta ny fivoriana ara-potoana teo, saingy tsy nisy fihaonana sy tatitra momba ireo toe-draharaha nanitikitika maro, ny olana ara-toekarena, fahantrana, delestazy, tsy fandriampahalemana sy ny maro hafa, izay nanaovan’ireo depiote tsindro-paingotra, eny fa na ny Filohan’ny Antenimierampirenena aza im-betsaka nampaneno lakolosy. Midika fa rehefa mila ny antenimierampirenena ny governemanta dia afaka mampiantso fivoriana tsy ara-potoana izay voafaritry ny lalàna, fa rehefa hanao tatitra momba ny asa vita nofaritana tamin’ny PGE amin’ireo ambara fa solontenam-bahoaka na voafaritry ny lalàmpanorenana aza dia azo tsy raharahiana. Hatolotra indray ny PGE vaovao kanefa toa fombafomba fotsiny satria ny tatitra momba ny fahavitany sy ny fahatanterahany tsy misy raha tahaka ny teo aloha? Rehefa mamoaka ny avy aty ivelany toy ny nataon’ireo ONG miisa roa izay namoaka tany amin’ny telo volana voalohan’ny 2022 fa 11,54% monja tamin’ny velirano sy fampanantenana no tanteraka vao hiazakazaka hamono avo ? Misy hasiny eo anatrehan’ny fahefana mpanatanteraka ve ny vahoaka ?

Ankoatra ny fanolorana ny PGE, tafiditra anatin'ny lahadinika ihany koa ny volavolan-drijantenin-dalàna manova ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny sazy omena ny olona manao habibiana amin'ny fanolanana izay hohamafisina ka anisan’ny noresahan’ny Filoham-pirenena ny 3 desambra 2023 ilay hampiasana ny « castration chimique ». Hatololotra ihany koa ny volavolan-drijantenin-dalàna manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin'ny lalàna If : 2014-020 tamin'ny 27 septambra 2014 mikasika ny fandaminana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap