airtel

Politique

29-juin-2021

Politique

Governemanta Fa lasa aiza ny minisitra Christian Ramarolahy ?

Sample post image

Hatry ny ela no nivoaka ny resaka fa tsy manatrika Filankevitry ny Minisitra mihitsy ny Minisitry ny angovo Atoa Christian Ramarolahy, ary misy aza mpamakafaka politika iray nilaza tamin’ny 19 martsa 2021,

29-juin-2021

 fa efa tamin’ny volana novambra 2020 no nanatrehany izany farany. “Toa korontana ambony ambany na ny minisitry ny angovo aza efa tamin'ny novambra no nanatrika filankevitry ny Minisitra farany. Ny Praiminisitra efa kamo, « gestion au jour le jour », tsy fantatra hoe haninona tsy fantatra hoe mankaiza. Ahoana ny PEM ilay nitoriana ahy tamin'ny 2019 noteneniko hoe soloky toa tsisy tokotaniny, tsy nahazo fankatoavana tamin'ny Mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF), tokony natao fampahafantarana ny janoary teo (efa fanindiminy raha tsy diso aho). Mbola misy vola ve ao amin'ny tahirimbolam-panjakana? Tsy voaloa ny “indemnité de requisition » an’ny mpiasan’ny fahasalamana, tsy voaloa ny vatsim-pianarana, ny « organisme rattaché » rehetra ankoatry ny tetibola mahaleo tena mitaraina daholo fa tsy voaloa ny karama hatramin'ny janoary, misy hatramin'ny aogositra 2020 », hoy ny ampahan’ny fanehoan-kevitr’io mpandinika ara-politika io. Tsy nisy ny tena fandisoana sy fanazavana ofisialy na fanazavana tamin’ilay resaka minisitra tsy manatrika filankevitra. Re fa tsy salama ny Minisitra Christian Ramarolahy, ary manaraka eto an-toerana.
ANDRASANA NY FANAZAVANA OFISIALY
Marihina etoana, fa loharanom-baovao tsy ofisialy io, ka andrasana na hisy fanazavana ofisialy mandiso na manamarina an’izany ataon’ny Governamanta satria tena mangina tanteraka ny Fanjakana. Sanatria miditra amin’ny fiainan’olona manokana toy ny resaka tsy fahasalamana ary mirary fahasalamana feno ho an’ity Minisitra ity raha izay tokoa ny zava-misy, fa kosa amin’ny olona ambony manana andraikitra lehibe eto amin’ny firenena no mampametra-panontaniana hoe : aiza marina izy no tsy hita firy intsony? Raha mitombona io, inona no tsy maintsy hitazonana azy amin’ny toerany raha toa ka efa am-bolana tsy afaka manatrika filankevitry ny minisitra tokoa? Tena mbola afaka manao ny asany ve ny minisitry ny angovo izay efa ela tsy hita tabilao? Raha mijery ny vaovao sy ny sary amin’ny zavatra ataon’ny Fanjakana tokoa aloha, dia efa ela no tsy tazana firy ity minisitra ity. Tsy mbola nahazoana vaovao kosa hoe hiala sa tsia, fa raha ny siosion-dresaka dia voalaza fa tsy mety misy mandray ny fametraham-pialany.
Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap