airtel

Politique

04-juin-2021

Politique

Governemanta Ho avy ihany koa ny “cyclone” ?

Sample post image

Fanapahan-kevitra sy fahasahiana lehibe ny an’ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany nanala olona izay sokajiana ho nanana hery na “influence”

04-juin-2021

 

 

  tao anatin’ny Fiadidian’ny Repoblika sy ny Fanjakana manontolo, ary tena nahalala zavatra sy tsiambaratelo maro. Mety ho fiaingana ara-politika vaovao ho an’ny Fanjakana ihany koa anefa ny fanovana tahaka izao, mba entina hanehoana amin’ny vahoaka fa mitsoka ny rivo-baovao. Ho vita amin’iny ny fikitihana sy fanalana olona sa hiitatra any amin’ny sehatra hafa? Mitodika any amin’ny governemanta ny mason’ny mpanara-baovao amin’izao fotoana izao. Ho sahy hikitika sy hanaisotra ny Praiminisitra ve ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Atoa Ntsay Christian, izay naneho ny tapaky ny volana mey teo: “Tompon’ny teny farany amin’ny fanovana na tsia ny governemanta ny Filoham-pirenena. Izy no mijery raha hosoloina manontolo na fanintsiana amin’ny ampahany”, hoy Atoa Ntsay Christian. Izy izay naneho, fa ao anatin’ireo olona hanaovan’ny Filoham-pirenena tombana. Efa nanipy teny ihany koa ny Filoham-pirenena, fa hotsaraina amin’ny asany mpikamban’ny governemanta. Maro ny lesoka, tsy vitsy ireo tsy mahavita ny asany mba tsy hilazana fa saika izy manontolo. Manakaiky ny tsio-drivotra na “cyclone” eo anivon’ny governemanta, raha ny lojika politika misy, ary efa nisy ny feo nandeha omaly momba ny mety hisiana fanovana. Maro rahateo ny lesoka sy raharaha nahakasika mivantana na ankolaka ny minisitra sasany: ahiahy tamina kolikoly sy kiantranoantrano, fanapahan-kevitra manohintohina ny fampiharana ny lalàna, tsy fahafehezana ny olom-pehezina niteraka korontana sy savorovoro, fanapahan-kevitra sy taratasim-panjakana miparitaka tsy lera nanaratsy endrika ny fanjakana, fanapahan-kevitra mifanipaka, tsy fahafehezana ny olam-bahoaka samihafa,… Mitoetra hatrany ihany koa ny lonilony politika eo amin’ny samy akaiky ny Filoha ateraky ny tsangan’olona ao anaty governemanta satria tsy ireo tena nitolona no mitondra, kanefa tsy mahavaha olana. Mino ihany koa ve ny Filoha fa io governemanta io no hahavita hanatratra ny fanamby apetrany ao anatin’ny roa taona sy tapany farany hitondrany ny firenena ?

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap