airtel

Politique

04-mars-2021

Politique

Governemanta Mamofompofona fikitihana…

Sample post image

Mamofompofona fikitihana governemanta any an-dapa any amin’izao fotoana izao.

04-mars-2021

 

 


 Re siosio ny mety fifanovan-toerana eo amin’ny samy mpikambana ao anatin’ny governemanta. Isan’izany ny mety hamindrana ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena ankehitriny Dr Sahondraharimalala Marie Michelle ho Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Ity farany izay marihina fa sady mpitsabo no mpahay lalàna, nanana andraikitra teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika no napetraka ho Minisitry ny fanabeazana. Isan’ireo olona azo ambara ho akaiky sy tena itokisan’ny Filoham-pirenena. Mety hafindra ho Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa kosa ny Minisitry ny fahasalamana Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Mety hoesorina amin’ny toerany ny Minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony ankehitriny Pr Assoumacou Elia Béatrice, raha zohiana amin’io resaka mivoaka io, izay marihina etoana fa mbola tsy ofisialy. Mety ho paikady hoentin’ny Fitondram-panjakana mampangatsiaka ny toe-draharaha sy olona mianjady amin’ny anjerimanontolo ankehitriny, ka tsy maintsy mitady “fusible” hoenti-manapaka ny sakoroka samihafa.

TRATRY NY TSINDRY NY FITONDRANA

Sarotra ny toe-draharaha ara-politika ankehitriny, ary hatramin’ny Praiminisitra aza roa na telo volana lasa izay, dia efa nandeha ny siosion-dresaka fa mety hovaina, saingy mbola betsaka ny adihevitra ka nangingina. Isan’ny anarana voatonontonona Atoa Paul Rafanoharana manamboninahitra tao amin’ny tafika Frantsay, Atoa José Vianey, Atoa Serge Zafimahova,… saingy tsy nisy tohiny intsony hatreto. Atoa Paul Rafanoharana izay efa niara-niasa tamin’ny Filoha Rajoelina tamin’ny tetezamita no voalaza fa somary andrian’ny sainy, saingy misy amin’ireo akaiky ny Filoha sy tena nametraka azy no tsy mankasitraka. Ny tapaky ny janoary moa no nilaza ny Tale Kabinetran’ny Filoham-pirenena Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro, fa tsy hisy fanovana governemanta ato ho ato, saingy ny zava-misy, ny toe-draharaha ara-politika,… dia mety hanery ny Fitondrana hiditra amin’izany. Misy aza ny ankolafin-kery maneho, fa mila ravana tanteraka ny governemanta ankehitriny ahafaha-manorina ny governemanta tan-dalàna sy mandala ny demokrasia, hanova ny lalàmpanorenana, hanova lalàm-pifidianana, hametraka fitsipi-dalao mazava,…

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap