airtel

Politique

12-janv-2021

Politique

Governemanta Manomboka mazava ny fanovana azy

Sample post image

Naneho ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga omaly,

12-janv-2021

 

 

 

 fa tsy mbola nisy nahavita ny vitan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tao anatin’ny roa taona. Milaza ny fitondrana nifandimby ankoatra ny Filoha Tsiranana ka nahatsangana ny fotodrafitrasa natsangan’ny Filoha tao anatin’ny 2 taona, hoy izy. Nambarany fa sekoly 40 mahery tao anatin’ny 2 taona, oniversite 4 goavana, hopitaly manara-penitra 10 no efa vita ankehitriny, CSB II efa ho 100,… Tsy ao anatin’ny PIP (Programme d’Investissement Public) no hanaovana ny tetikasa goavana. Niato sy nihemotra noho ny zava-nisy. Toa naneho ny hisian’ny fanovana mpikamban’ny governemanta kosa izy, izay naneho fa raha mety avokoa ireo minisitra dia efa vita 100% ny tetikasa nentina tamin’ny 2019 no vita. Raha ny vinan’ny Filoha tsy tokony ho ohatr’izao ny zavatra mitsangana mihoatra an’i Madagasikara fa mihoatra an’izao, hoy izy. Misy ny nahavita ny adidiny, misy tsy nahavita, misy tsy ampy. Ny Filoha sy ny Praiminisitra no tena tompon’ny teny farany. Izay tena mahavita ny velirano, misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka, raha ny nambarany. Ara-politika, nilaza ny tenany fa tsy misy fanenjehana olona tsy mitovy hevitra. Raha misy tsy mitovy hevitra, dia ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa migadra ve izy ireo? Tsy mitovy ny fanaovana politika sy fanenjehana sy fanozonana mpitondra Fanjakana. Raha misy mpitondra teo aloha dia zavatra nataony (actes), fa tsy amin’ny maha izy azy no nanenjehana azy, hoy i Rinah Rakotomanga. Ara-pahasalamana kosa dia nambarany, fa tsy hisy fihibohana izany eto, ary miresaka amin’ny eo anivon’ny fahasalamana foana izy.

 Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap