airtel

Politique

08-mars-2022

Politique

Governemanta Miozongozona ny sezan’i Tinoka Roberto

Sample post image

Ora vitsy taorian’ny nilazany tamin’ny fampahalalam-baovao fa fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 23 febroary 2022 ny tsy fahafahana mampiasa ny valizy misy kodiarana (valise à roulettes) satria ny 90%

08-mars-2022

 tamin’ny trafikana harem-pirenena tamin’ny alalan’io, dia nivadi-dela tanteraka ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Tinoka Roberto. “Tezitra mafy aminy ny Filoha ka nasaina nanitsy ny hadalana be noteneniny izy, tsy nisy fanapahan-kevitra izany resaka valizy misy kodiarana sy ny “ordinateur portable” izany mihitsy tao amin’ny Filankevitry ny minisitra ny 23 febroary teo fa fomba fialana bala iny”, hoy ny pejim-baovao mpomba ny Fitondrana nanitsoka an’i Tinoka Roberto. Nilaza indray ity Minisitra ity raha niakatra tao amin’ny fahitalavi-panjakana TVM, fa tsy fanapahan-kevitra tao amin’ny filankevitry ny minisitra indray, fa "Taratasy "échange administrative" fotsiny iny taratasy nivoaka iny fa tsy mbola nisy filazana ofisialy avy amin'ny fitondram-panjakana". Rehefa tena dinihina anefa ilay naoty nivoaka sy niparitaka, dia toa miendrika zavatra efa hampiharina fa tsy zavatra vao hiadian-kevitra. Ny maraina dia efa nisy ny fiarovan’ny Coordonateur Général des Projets an’ny Minisitera Atoa Razafimbelo Alain Manajary, fa tsy avy amin’ny Minisitera iny ary mila atsahatra ny fanenjehana ny Minisitra Tinoka Roberto. Tampoka teo, ilay minisitra mihitsy no nilaza fa zavatra tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny tsy fahafahana mitondra ny valizy misy kodiarana amin’ny entana entin-tànana. Mbola nampiany, fa voarara ihany koa ny solosaina, fa alefa any anaty “soute”,… Ora maromaro taoriana, dia nivadika zavatra hafa indray. Endrika tsy fahamatorana, tsy fahafehezana ny asa, toa mampibaribary sy mampahatsiahy ny fanasokajian’ny vazaha tamin’ny tetezamita hoe: “sans qualité”. Afa-baraka tanteraka ilay Minisitra, fa afa-baraka manaraka azy ihany koa ilay Fanjakana. Miharihary fa tsy voafehin’ingahy Tinoka Roberto ny asa nampiandraketina azy, raha zohiana amin’io toe-draharaha io sy ny zavatra efa nisy teo aloha.
SAHY HANALA AZY VE NY FILOHA?
Lojika ny fanaisorana azy ao anatin’ny governemanta na dia ny fahafaham-barakan’ny Fanjakana fotsiny aza. Ankoatra izay, voatontonona tamin’ilay raharaha trafikana safira 925g teny Ivato ny 17 oktobra 2021 ity minisitra ity, raha ny voaraikitr’ireo ampamoaka isan’ny nahasaringotra ny Minisitry ny fitsarana teo aloha Atoa Imbiki Herilaza. Voalazan’ny ampamoaka fa nandoa 400 tapitrisa Ar ireo karana, saingy mbola voasakana ny entana, ary nitady lalan-kafa tany amin’ny Minisitry ny fitsarana tamin’izany. Tsy voatery ho marina ireny, saingy tsy mbola ny fandisoana ofisialy na fitoriana momba ny vaovao tsy marina natao ny mpanao ampamoaka. Asa mba efa nisokatra ve ny fanadihadian’ireo rafitra misahana ny kolikoly? Ratsy toerana tanteraka i Tinoka Roberto raha zohina. Hiditra amin’ny fandroahana azy tsy ho minisitra ve i Andry Rajoelina sa mbola hitazona sy hiaro hatrany noho ny antony avo lenta hafa ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap