airtel

Politique

18-nov-2022

Politique

Governemanta Miozongozona ny sezan’ny minisitry ny asa vaventy…

Sample post image

Hafahafa ny tsio-drivotra any anaty Fanjakana mikasika ny Minisitry ny asa vaventy Atoa Jerry Hatrefindrazana.

18-nov-2022

Miharatsy ny toeran’ity minisitra ity ka asa na handingana ity taona 2022 ny fijanonany eo na hilamina ny momba azy? Baraingo tanteraka hatreto ny mikasika ny tetikasa “Autoroute” Antananarivo-Ambatondrazaka-Toamasina mirefy 265km, izay nanaovana lanonana ara-panjakana teny Iavoloha ny 03 novambra 2022 teo ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny orinasa Ejiptianina Samcrete izay voalaza fa nahazo ny tsenam-baro-panjakana hanao ny asa amin’ny vidiny 950 tapitrisa dolara eo. Nambara fa afaka roa herinandro ny fametrahana vato fototra, ary 80 km no ho vita hatramin’ny faran’ny taona 2023. Efa nihoarana ilay 2 herinandro, saingy tsy mbola re siosio aloha ilay fametrahana vatofototra hatreto. Samy nametra-panontaniana ny rehetra hoe: iza no hamatsy vola? Mpandraharaha goavana iray eto amin’ny firenena no voalaza fa isan’ny nandray an-tànana ny fahatongavan’ny delegasionina Ejiptianina hanao ny asa. Raha ny tsoriakam-baovao azo, ny orinasa Ejiptianina no voalaza fa hitondra ny vola sady hanamboatra, ary izy no hanao ny fitrandrahana ny lalàna na “exploitation”. Voalaza anefa fa toa lasa nisy pasoka daomy hafahafa, lasa nisy “appel d’offre” indray mikasika ny fitrandrahana ny làlana, ary lasa tsy mazava sy tsy mari-pototra indray hoe: volan’iza marina ary izany no hanaovana ilay làlana? Voalaza fa isan’ny mitondra ny baolina ao anatin’ity raharaha ity ny mpandraharaha goavana iray, izay re siosio fa tsy dia faly loatra amin’ny minisitry ny asa vaventy. Ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola no tokony ho nanao sonia ny fifanarahana, saingy tsy izay no niseho teny Iavoloha, izay tsy dia fahita firy, ary toa endrika naneho fa tsisy resa-bola izany teo? Raha ny lalàna fehizoro mikasika ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na LOLF(Loi Organique sur les lois de finances) N°2004-007 tamin’ny 27 jolay 2004, ao amin’ny tapany fahadimy na “Section V” miresaka trosam-panjakana, andininy faha-39 dia milaza fa ny fa ny findramam-bola amin’ny anaran’ny Fanjakana dia ataon’ny Minisitry ny fitantanam-bola. Ilay 950 tapitrisa dolara anaovana « autoroute » ve vola nindramina sa vola ahoana? Tsy voaresaka firy any anatin’ny PIP (Programmes d’Investissement Public) ao anatin’ny Tetibolam-panjakana ihany koa ny mikasika ireny asa goavana ireny amin’ny ankampobeny. Raha raisina amin’izay, mbola mijanona ho resaka misavoamboana hatreto ny resaka « autoroute », ary mety ho lasa sorona ny Minisitry ny asa vaventy.
LALANA TANY NOSY BE
Niteraka resabe ihany koa ny làlana tany Nosy Be, izay voalaza fa tsy nanaraka ny fenitra nifanarahana, araka ny fitsirihana teo imason’ny Filoham-pirenena ny 04 novambra. Efa nisy anefa ny fitsirihana teknika nialohan’io nataon’ny Minisitera nialohan’io. Nisy mihitsy ny fanafanarana haingana ny teknisianin’ny LNTPB (Laboratoire National des Travaux Publics et du Bâtiment) nandeha fiaramanidina nanao fitsirihana. Nanatrika izany fitsirihana ara-teknika izany ny Minisitry ny Asa vaventy sy ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Banky iraisam-pirenena, ary ny tetik'asa PIC (Pôle Intégré de Croissance). Re fa hoe nanaraka ny fenitra, +5cm, raha ny vokatry ny fitsirihana isaky ny 100m natao, ary voalaza fa ny fitaovan’ny sinoa nanaovana fitsirihana no nisy olana satria nisaofy. An’ny sinoa ny orinasa Sinohydro izay anao ny asa izay nalaza ratsy sy afa-baraka, saingy malaza ho akaiky ny mpandraharaha matanjaka sy goavana iray ireo sinoa, ka isan’ny mba tsy faly sy tezitra tamin’ny zava-misy ny tenany. Malaza ratsy ho tsy malina sy nanimba ny sarin’ilay orinasa sy ny Fanjakana, ary nampijabaka ny Filoha ny Minisitry ny asa vaventy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap