airtel

Politique

17-mars-2022

Politique

Governemanta Tsy sahy nanala an’i Tinoka sy Lalatiana ny Filoha

Sample post image

Samy niandry izay ho endrika vaovaon’ny governemanta fahaefatra amin’izao fitondrana Rajoelina izao ny Malagasy.

17-mars-2022

Tsy dia nisy fiovana firy satria ny 5 no olom-baovao, ary iray amin’ireo aza efa minisitra tamin’ny tetezamita naverina hisahana ny andraikitra notazoniny tamin’izany, dia Atoa Ranjatoelina Rolland. Ny tonta ihany no navadibadika amin’ny ankampobeny, ka misy ny tsy namokatra tany amin’ny toerana hafa, dia alefa any amin’ny andraikitra hafa indray, fa tsy sahy hesorina. Saika ireo minisitra tsy dia atahorana loatra amin’ny ara-politika no nalana, raha toa ka tsy sahy nokitihina ireo mety atahorana na mety tsy mahomby na koa manaratsy endrika ny fitondrana aza. Minisitra 9 no niova ka nisy ny efa niala nialohan’ny fotoana tahaka an’i Brice Randrianasolo, Imbiki Herilaza, Hajo Andrianainarivelo. Voahongotra i Patrick Rajoelina, izay efa nampoizina ihany noho ny toetra amam-pihetsika toy ny teny ratsy variraraka nisy nanao ampamoaka, ny tsy fahafehezana ny teny Malagasy, ny tsy fahombiazan’ny diplaomasia,… Nilaza ho gaga ary nametra-panontaniana hoe: “fa maninona?” taorian’ny fanesorana. Tratry ny rivodoza politika ka nangoron’entana i Baomiavotse Vahinala Raharinirina minisitry ny tontolo iainana, ary nanara-dia azy ihany koa minisitra lefitra misahana ny fandrakofana ala Rtoa Haingosoa Hortencia Antoinesie. Izy mirahavavy ireo izay niady ary tonga teny an-databatry ny facebook. Samy nesorina tamin’ny toerany ihany koa ny Minisitry ny fanatanjahantena Hawel Mamod’Ali, izay depiote notendrena ho minisitra, heverina fa azo nifandaminana sy miverina fotsiny amin’ny maha parlemanta azy. Foana kosa ny toeran’ny minisitra lefitra misahana ny tanora niandraketan-dRtoa Juliana Ratovoson izay natsikafon’ny olon’ny MAPAR ny naha HVM azy, ary mbola tratry ny tsikera tamin’ny karazana doka ara-pivavahana. Tsy tafaverina amin’ny toerany ihany koa ny Minisitry ny rano Ladislas Adrien Rakotondrazaka,… Saika tsy dia manana tanjaka ara-politika firy ireo nesorina amin’ny ankampobeny.
VOATAZONA I TINOKA, TSY VOAKITIKA I LALATIANA,…
Any amin’ny tsy mivonto no manaintaina araka ny fitenin’ny tanora ny endriky ny fanovana satria ireo tsy dia atahorana ara-politika no natao sorona. Raha noheverina fa hoesorina ireo minisitra niteraka resabe sasany tahaka an’i Tinoka Roberto, dia tsy izay no nitranga, fa naverina ho minisitry ny tanora. Matoa nesorina tamin’ny fanatanjahantena dia tsy nahomby, saingy tsy nisy tao anatin’ny 60 taona izany hoe: nesorina dia haverina eo afaka 7 volana. Ambony ny tsindry momba ny fivoizana resaka fihaviana, mba tsy hanalana ity minisitra ity. Niray feo ireo olom-boafidy avy amin’ny faritanin’i Toliara niaro an’i Tinoka Roberto. Novoizina fa ity minisitra ity no angady nananana sy vy nahitana ny isam-bato ambonin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2018, ka tsy sahy nesorina na tsy mahomby sy nanala baraka ny fitondrana aza ny resabe mikasika azy tamin’ilay valizy misy kodiarana. Nanahirana ny fitondrana hatramin’izay ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, ary na ireo olon’ny TGV-MAPAR aza misy tofoka aminy, saingy malaza ho isan’ny atahorana hamoaka dosie ka tsy voahozongozona ao anaty governemanta.
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap