Tsy toy ny tamin’ny andro lasa, mba tsy ilazàna hoe tamin’ny andron’ny fitondràna teo aloha, hoe azoazo an-tsaina dieny mialoha ny sasantsasany na ny ankamaroany mihitsy amin’ireo mpikambana eo anivona governemanta eto Madagasikara. Misy mpanara-baovao, raha ny fanehoan-kevitra voaray omaly aloha, no miaiky fa tena mahatàna tsiambaratelo ny fitondràna ankehitriny mikasika izay mety ho minisitra mpikambana anivon’ny governemanta Mamitiana Rajaonarison izay. Ny praiminisitra ihany no efa nampoizina ary tsy nanaitra intsony, tamin’ny ankapobeny, ny nandray tamin’ny fomba ofisialy ny fanendrena azy satria nanodidina ny herinandro teo no efa nivoy tamin’ny tambazotran-tserasera samihafa sy haino vaky jery ihany koa ny anarany. Anio moa, raha ny fampahafantarana nataon’ny mpitondra tenin’ny fiadidiana ny repoblika, Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, no ho fantatra izay ho mpikamban’ny governemanta Rajaonarison izay. Andrasana tokoa araka izany hoe iza avy izany «minisitra tsy mandainga» avy nisedra fitsirihana lainga na «détecteur de mensonge» izany.
J. Mirija