airtel

Politique

16-août-2021

Politique

Governemanta vaovao Nesorina ireo minisitra mpifamaly amin’ny depiote

Sample post image

Voatendry sy natolotra omaly 15 aogositra ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny governemanta. Ankoatra ny fitomboany dia saika ireo Minisitra

16-août-2021

 mpifamaly na nanana olana tamin’ny depiote no nesorina. Isan’ireny ny Minisitry ny fitsarana Atoa Johny Richard Andriamahefarivo izay efa niaraha-nahalala ny fifanolanany tamin’ny Depiote Naivo Raholdina, ankoatra ny mety ho olana hafa. Tsy tafaverina ihany koa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria Jeneraly Ravalomanana, somary tsy nitsitsy fitenenana tamin’ny olom-boafidy, indrindra tamin’ny resaka zo tsy azo henjehina. Nalàna ihany koa ny minisitry ny toekarena sy vola Atoa Richard Randriamandranto,… Nisy fihainoana amin’ny ampahany ny fitakian’ny Depiote tamin’ny fanesorana ireo minisitra sasany, saingy tsy tena voahaja kosa ilay fivoizana ny hoe tokony hifanaraka amin’ny maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny endriky ny governemanta sy ny hoe: olona tokony efa nisedra safidim-bahoaka no tokony hotendrena ao amin’ny mpanatanteraka, raha te hametraka fitoniana eto amin’ny firenena. Niakatra ho 32 ny mpikamban’ny governemanta raha 23 izany teo aloha. Misy minisitra misahana ny fiandrianam-pirenena 6, minisitra tsotra 21, minisitra lefitra 3, Sekreteram-panjakana miisa 2. Ny 21 amin’ireo no vaovao, ary 12 efa mpikamban’ny governemanta teo aloha, ka tao ny voatazona amin’ny toerany, nisy ny niova toerana, nisy ny nozaraina ho roa ny departemantany.
IREO MINISITERAN’NY FIANDRIANAM-PIRENENA
Tafajanona ho Minisitry ny fiarovana ny jeneraly Rakotonirina Léon Richard. Minisitry ny Raharaham-bahiny Atoa Patrick Rajoelina: mpikambana tao anatin’ny Kaomisionina iraisana nandinika famerenana ny Nosy Malagasy, mpanolontsain’ny Filoha momba ny raharaham-bahiny sy ny Fifandraisana iraisam-pirenena,… Minisitry ny fitsarana: Imbiky Herilaza, Filoha lefitry ny antenimierandoholona, efa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny 2020-2021, efa sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany, mpitsara ambony teo amin’ny rantsam-pitsarana momba ny boaderozy, mpampiofana tao amin’ny ENMG,… Minisitry ny Atitany: Pierre Houlder, Tale misahana ny raharaha politika teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, efa minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy,… Minisitry ny Toekarena sy fitantanam-bola: Rindra Hasimbelo Rabarinirina, Sekretera Jeneraly teo anivon’io minisitera io. Tafaverina ho Minisitry ny filaminam-bahoaka Atoa Randrianarison Fanomezantsoa.
IREO MINISITRA TSOTRA
Voatendry ho Minisitry ny indostria sy ny varotra Atoa Edgard Razafindravahy: mpandraharaha, Filohan’ny Antoko AND,… Tafajanona ho minisitry ny fanajariana ny tany Atoa Hajo Andrianainarivelo saingy nosarahana amin’io ny Asa Vaventy. Mijano aho Minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy Rtoa Gisèle Ranampy, minisitry ny Fizahantany i Joel Randriamandranto, saingy nesorina tao ny fitaterana. Minisitry ny fampianarana ambony Assoumacou Elia Béatrice. Minisitry ny tontolo iainana: Baomiavotse Raharinirina. Minisitry ny fanabeazana Sahondrarimalala Marie Michelle. Natao minisitera mitokana ny fitaterana, ka I Tinoka Roberto no hisahana azy. Nosoloina an’I Pr Zely Randriamanantany izay efa Tale Jeneraly teo anivon’ny Minisitera ny Minisitry ny fahasalamana. Voatazona ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy. Asa vaventy: Gerry Hatrefindrazana, Injeniera momba ny asa vaventy, Lehiben’ny Faritra Anosy, efa depiote. Minisitry ny harena an-kibon’ny tany: Brice Randrianasolo, ingénieur géologue. Angovo sy akoron’afo : Andry Ramaroson ,Tale jeneralin’ny Angovo nialohan’ny nanendrena azy. Minisitry ny rano : Ladislas Adrien Rakotondrazaka, injeniera hydraulicien. Fambolena : Harifidy Ramilison, manam-pahaizana momba ny fampandrosoana eny ambanivohitra, nanana andraitra teo anivon’ny Tahiry iraisam-pirenena momba ny fampandrosona ara-pambolena FIDA,… Jono sy ny toekarena Manga : Mahatante Paubert, mpampianatra tany amin’ny Oniversiten’I Toliara. Efa nanao ny drafi-panajarina any jono niarahana tamin’ny USAID,… Minisitry ny fampianarana teknika: Vavitsara Rahantanirina Gabriella, efa niasa tany amin’ny Laureal Parfum Paris. Minisitry ny asa sy ny haitao: Sophie Ratsiraka, efa mpanolontsaina ara-teknika teo amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana. Haitao ara-kajy mirindra sy ny paositra: Tahina Razafindramalo, efa talen’ny “Transformation digitale” teo anivon’ny Minisitera. Minisitry ny mponina: Princie Soafilira, mpandraharaha, mpikambana ao amin’ny Antenimieran’ny varotra. Minisitry ny tanora : Hawel Mamodaly, efa solombavambahoaka lany tany Morondava, efa Tale Kebinetran’ny Minisiteran’ny tanora


IREO MINISITRA LEFITRA
lefitra misahana ny fiompiana : Dr Raymond, manam-pahaizana ambony momba ny fitsaboana biby nivoaka tany Algèrie, depiote lany Antsiranana II. Minisitra lefitra misahana ny tanora : Rtoa Juliana Ratovoson, Tale Jeneralin’ny tanora, efa Filoha vonjimaikan’ny Union Panafricaine des jeunes. Minisitra lefitra misahana ny fandrakofana ala: Haingosoa Hortensia, efa talem-paritry ny tontolo iainana tany Androy, manam-pahaizana momba ny fizahantany, varotra iraisam-pirenena.
SEKRETERAM-PANJAKANA ROA
Notendrena ho Sekreteram-panjakana misahana tetikasan’ny Filoham-pirenena sy ny tanàna vaovao: Gérard Andriamanohisoa, mpanolontsaina manokan’ny Filoha, efa Tale Jeneralin’ny fanajariana ny tany. Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Général de Division Serge Gelle efa Lehiben’ny CIRGN tany Toamasina sy tany Fianarantsoa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap