airtel

Politique

21-févr-2023

Politique

Governemantan-dRajoelina farany… Minisitra 7 nalàna, miverina ny olon’ny tetezamita

Sample post image

Nampahafantarina ofisialy omaly alatsinainy 20 febroary 2023 tetsy amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra ny fanovana sy fikitihana ireo mpikambana sasany teo anivon’ny Governemanta,

21-févr-2023

 izay heverina fa hamita ny 6 volana farany hitondran’ny Filoha Rajoelina. Tsy voakitikitika ny Praiminisitra Ntsay Christian na nisy aza ny loharanom-baovao samihafa nilaza fa mety hosoloina izy. Tena hamaha ny olana maro misy ve ny fanovana governemanta sy ny endriny ankehitriny izay efa fanineniny eo izao? Sa mba fampitonitoniana politika ihany? Olona 8 no nanaovana fanendrena vaovao ka isan’ny mampiavaka azy ny fiverenan-Rtoa Yvette Sylla ao anaty governemanta sy nanomezana toerana an’Atoa Haja André Resampa, anarana roa isan’ny nanamarika ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) taorian’ny fanonganam-panjakana 2009. Nofenoina ny toerana banga dia ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, ka napetraka amin’izany Rtoa Yvette Sylla Ambasadaoro tany amin’ny UNESCO, efa nitazona an’io toerana io tamin’ny tetezamita. Nesorina tamin’ny toerany ny Jeneraly Rakotonirina Richard ka notendrena ho Minisitry ny fiarovam-pirenena ny Général de division Josoa Rakotoarijaona, izay nivoaka tao anatin’ny andiany faha-17 teo anivon’ny ACMIL. Nalàna ny Minisitry ny fitsarana François Rakotozafy, ka Rtoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa, izay loholona am-perinasa iray tamin’ireo 6 notendren’ny Filoha, Mpitsara, mpikambana tompon-toerana ao amin’ny Fitsarana Avo (Haute cour de justice (HCJ) ary mpikamban’ny Antoko AVI no napetraka amin’izany. Ara-politika. Voatazona izany ny fananan’ny antoko AVI izay naorin’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana minisitra 2 ao anaty governemanta satria avy amin’izy ireo ny Minisitry ny fitaterana teo aloha Atoa Roland Ranjatoelina izay voatendry ho Tale Jeneralin’ny ASECNA. Nesorina ihany koa ny Minisitry ny asam-panjakana Rtoa Giséle Ranampy, nosoloina an’Atoa Rivotiana Richard Jean Bosco Depiote IRD voafidy tany Lalangina. Lojika ny fanesorana an-dRtoa Gisèle Ranampy izay vadin’ny Filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo, mba hiezahana hamafana ilay hoe: miandany ny vaomieram-pifidianana. Na izany aza olona tena natokisan’ny Filoha izy mivady ireo matoa ny iray nataony minisitra, ary ny iray notendreny ho mpikamban’ny CENI ary voafidy ho Filohan’io rafitra io avy eo. Nesorina ihany koa ny Minisitry ny asa vaventy Jerry Hatrefindrazana, ka notendrena amin’izany ny Colonel Ndriamihaja Andrianatrehina Injenieran’ny asa vaventy. Ity Minisitra ity ve izany no nomena iraka hanototra ny tsy fahavitan’ny asa maro toy ny fikojakojana ny làlana sy ireo tetikasa lehibe nampanantenaina sa natao ho “fusible” fotsiny ingahy Jerry Hatrefindrazana hanilihana ny tsy fahombiazan’ny Fitondrana? Raha nalaza fa mety hatao Praiminisitra kosa Atoa Valéry Ramonjavelo Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha, dia izy no nampiandraketina ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro hisolo an’Atoa Roland Ranjatoelina. Nahilika ihany koa moa ny Minisitry ny angovo Andry Ramaroson, ka nakarina eo amin’izany toerana izany Atoa Andriamanampisoa izay Filohan’ny Filankevi-pitantanana (PCA) teo anivon’ny Jirama. Nesorina ny Minisitry ny fanatanjahantena Tinoka Roberto, ka Atoa André Haja Resampa Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika (SGP) tamin’ny tetezamita no napetraka eo.

Somary nanaitra ny fanendrena an’Atoa Haja André Resampa. Ity farany izay efa natolotry ny MAPAR ho Praiminisitra tamin’ny andron’ny HVM saingy voatsipaka ambavafo, ka nanomboka teo no tsy dia tazana firy intsony. Somary mampiady ny toerana nametrahana azy mitaha amin’ny làlana nodiaviny ka asa hoe: resaka teknika sa politika hakana ny fon’I Vakinankaratra? Na koa hoe: aleo mba hisitraka an’ilay Fanjakana ny namana? Mety hamaritra izay olona mety hapetraka ho Filohan’ny Antenimierandoholona ny fanendrena loholona iray ho lasa minisitra, ka andrasana ny hoe: iza no hasolo azy? Ho voatazona hisolo ny Filoha izay tsy maintsy miala 60 andro mialohan’ny fifidianana ve Atoa Razafimahefa Herimanana sa izay solon-dRtoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa no hapetraka eo?
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio

Card image cap
17-avril-2024

Efa niteny ny antoko politika Teza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ho haingon-tsehatra

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD

Card image cap
16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap