airtel

Politique

11-janv-2024

Governemantan’ny « CV »

Ho tsapatsapa vody akoho indray…

Sample post image

Andrasana amin’io faran’ny herinandro io izany ny fitsanganan’ny governemanta,

11-janv-2024

taorian’ny fiantsoana fanaterana CV (Curriculum Vitae) ho an’izay teo ho minisitra. Hatolotra ny Filoham-pirenena anio ny tolo-kevitra avy amin’ny Praiminisitra. 256 ny dosien’ireo teo ho minisitra voaray, raha ny antontan’isa azo ny talata teo, raha misy ny vaovao hafa nilaza fa an’arivony, izay mety tafiditra hatramin’ny fangatahana toerana hafa. Tsy ilay isa hoe an-jatony na an’arivony no olana fa ilay hoe manatitra CV mba ho mpikambana ao amin’ny governemanta. Isika eto Madagasikara ihany no ahitana an’izany fa ny an’ny olona vao mirotsaka dia efa mazava ny politikam-pitantanana, ny programa hotanterahana, ny olona hanatanteraka azy,… Fa angaha moa tsy efa niomana hatry ny ela, efa nifampiresaka tamina olona sy ankolafin-kery maro fa izao vao hieriteritra ny hitondra firenena ? Miverina hatrany ny sary efa hatrany amin’ny 2018 nilazana fa niomana 4 taona, saingy na ny fitantanana aza nandeha tamin’ny kitsapatsapatsapa matoa in-dimy tao anatin’ny taom-piasana iray nikitika sy nanova olona teo anivon’ny governemanta, izay midika tsy fahavononana sy kitsapatsaka fa ny nandrombaka fahefana tamin’ny fomba rehetra no nahamaika, ka tsy fahombiazana ny vokany. Nisy minisitera niova minisitra in-dimy, tao ny niova in’efatra, nisy minisitra tsy nahomby tamin’ny toerana hafa dia nafindra tamin’ny toerana hafa, tao ny efa nesorina avy eo naverina amin’ny departemanta hafa. Hatao tsapatsapa vody akoho ka raha tsy tay dia atody araka ilay fomba fiteny ve ? Niainga tany amin’ny fanangonana CV ary hatrany amin’ny fanendrena ambasadaoro aza nanaovana izany ka naharaisana CV 303 kanefa tsy nisy ambasadaoro na iray intsony aza voatendry taorian’ireo dimy notendrena tany ho any amin’ny fiandohan’ny taom-piasana. Hafa raha hoe orinasa, dia tena izay mihitsy no fanao, avoaka amin’ny gazety na amin’ny haino aman-jery na atao peta-drindrina ny filazana hoe mitady mpiasa na mpitantana. Fa ity dia minisitra handrafitra ny governemanta hitantana firenena no safidiana amin’ny alalan’ny fanaterana CV ?
MILA FITOVIAM-PIJERY
Tena politika anefa vao teknika izany toerana minisitra izany, olona mitovy fomba fijery, vina sy firehana politika amin’ilay filoham-pirenena no tokony ho minisitra ; fa tsy hoe teknisianina fotsiny. Avy amin’ny vinan’ilay kandida filoha, voafidy ho filoha no handrafetana ny politika ankapoben’ny fanjakana… tsy maintsy mifangaro ao ny resaka politika sy paikadim-pampandrosoana. Ny olona mpiray antoko na mpiara-dia na mpiara-miombon’antoka amin’ilay Filoha izany no tsy maintsy mandrafitra ny ekipa mpanatanteraka dia ny governemanta. Ka inona ilay antony hoe hanangonana CV ? Sa mba fialana bala fotsiny fa efa vonona ao daholo ihany ny anarana ? Dia vao miha tsy fahaiza-miasa ihany anefa izany satria hampiroaroa saina ny olona mihevitra fa tokony ho izy no nahazo ny toerana kanefa olona hafa mihitsy no indro voatendry. Dia tsy mahagaga raha mihisatra ny fampandrosoana ny firenena, any amin’ny olona handrafitra paikady sy hanapa-kevitra ny amin’ny lalan-kizorana mihitsy no efa olana. Ka raha vao ny fitantanana no olana, tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny ambiny. Ny resabe sy fampanantenana ihany koa tsy vao izao no naharenesana azy, toy ny filazana tany amin’ny fiandohan’ny taom-piasana fa tsy handefitra amin’ny kolikoly. Sa tsy kolikoly ny raharaha « bonbon sucette » amina miliara ? Ny raharaha « écran plat », ny volamena nivadika vy tao anaty minisitera , ny tale kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika voasambotra tany Londres, ny olona voarohirohy tamin’ny fangalaran-tany, ny depiote mampiasa anarana andrim-panjakana amin’ny fitaterana hazo izay harem-pirenena arovana,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap