airtel

Politique

12-avril-2022

Politique

Governoran Analanjirofo Voatory ho naka 40 tapitrisa Ar tamin ny mpanao lalana

Sample post image

Notorian’ny Fikambanana Zanak’i Mananara-Nord na FIZEMA izay manana ny Foibeny ao Fenoarivo Atsinanana Faritra Analanjirofo ny Governoran’Analanjirofo Dr Marcellin Randriamanantena sy Rtoa Adine Tompon’andraikitra

12-avril-2022

 misahana ny tsenambaro-panjakana na PRMP. Anton’io ny fanomezana tsenambaro-panjakana fanamboarana làlana rarivato na “Pavé” ao Androkaroka Mananara Avaratra. Tsy faly noho ny ambaran’izy ireo fa fanalam-baraka an’Atoa Sylvain Tompon’ny orinasa voatondro fa nahazo ny asa noho ny fisamborana sy fanalam-baraka niseho ny 07 martsa 2022 tao Mananara Avaratra, izay nasiana rojovy na “menotte” ary naseho eraky ny tanàna nefa mba misy raha tsy mety nataon’ireo, hoy ny fanazavana anatin’ny fitoriana. Isan’ny votoatiny lehibe araka ny taratasy nalefa tany amin’ny Bianco ny 20 martsa 2020 ny resaka tsenambaro-panjakana voalaza fa tsy nanara-dalàna. Sady tsy nandalo antso tolo-bidy “Appel d'Offe” ny fanaovana “Pavé” no nisy fangalana vola tamin'ny “Entreprise” ka an’i Goverora Atoa Marcellin Randriamantena, ny 40 000 000 Ar ary an-dRtoa Aldine PRMP ny 10 000 000 Ar ; misy porofo izany”, hoy ny voaraikitry ny fitoriana. “Ny asa tsy vita satria sady tsy nandalo Directeur Developpement Region Atoa Victor Omega fa Governora sy PRMP no milalao ny asa rehetra ato amin'ny Faritra Analanjirofo, hoy hatrany ny voarakitry ny fitoriana. Nanamarika ao anatin’ny taratasy fitoriana ny mpitory, fa ny isan’ny porofo dia tsy vita ilay làlana rarivato ao Mananara Nord ao Androkaroka satria lanin’ny kolikoly ny vola tokony hanaovana asa. Managataka ny hanokafana famototrana lalina momba io tsy fahavitan'ny rarivato ao Mananara Avaratra io sy antony ny tsy hitokanana ny làlana vita ao Fenerive Est Sahavola ary ny fanamboarana ny tranony resto-doany, làlana makany amin’ny hopitaly ao Fenerive-Est Atsinanana ihany koa ny mpitory. Tsara ny manamarika, fa nomena tetibola iasana 2 miliara isan-taona ny governora, izay tsy olona voafidim-bahoaka sy tsy voafaritra ao anatin’ny lalàmpanorenana aza satria Lehiben’ny faritra no voasoratra any amin’ny andininy faha-154, ary fidiana amin’ny latsabato faobe. Ity Fanjakana Rajoelina ity kosa no nametraka avy hatrany araka izay saim-patany ny governora, ary io misy voatonona amin’ny raharaha hafahafa io. Andrasana moa izay mety ho setriny amin’ny ankilany sy ny fanapahan-kevitry ny Fanjakana, fa indrindra ny tohin’ny fanadihadian’ny Bianco.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap