airtel

Politique

23-févr-2023

Politique

Governoran’Ihorombe “Vita soa ny rivodoza”

Sample post image

Vita soa ny rivodoza Freddy isika rehetra, hoy ny governoran’ny faritra Ihorombe, Sareine Nomenjanahary. Isaorana indrindra ny Tompo fa nihaino ny vavaka nataon’ilay mpanompo vaviny, hoy izy.

23-févr-2023

Nijery teny amin’ny manodidina, teny amin’ny kaominina ambanivohitra ny tenanay taorian’ny rivodoza dia hita sy tsapa fa tsy dia nampisy faitrakany be loatra taty amin’ny faritra Ihorombe iny rivodoza Freddy iny. Tsy dia nisy ny fambolena dobon-drano na ny aina nafoy na zavatra maro simba raha araky ny tatitra azo avy amin’ireo kaominina sy sefo distrika ao Iakora sy Ivohibe. Tsy nisy nafindra toerana na traboina tany amin’ny toerana tokony handraisana izany. Na izany aza dia mila mailo hatrany isika fa mety mbola hisy rivodoza hiforona ato ho ato. Elena io ka mila mitandrina hatrany isika. Hamafisina tsara ny tafon- trano, ny vokatra , ny dosie tena ilaina mbola mila atao amin’ny toerana azo antoka tsy ho azon’ny orana . Ny mpitrandraka harena an- kibon’ny tany dia mbola tsy tokony hamonjy any amin’ny kariera. Mbola somary manorana kely ny andro ka mila mailo hatrany. Harao tsy tapaka ny onjapeo sy ireo fepetra omen’ny mpitondra fanjakana eny ifotony, ny sefo distrika, ny delegem-panjakana, ny ben’ny tanana, ny sefo fokontany. Mailo dia manaraka ny toromarika dia mivavaka mafy. Mankahery ireo traboina any amin’ny faritra rahavavy lasibatry ny rivodoza Freddy teo. Samia tahian’Andriamanitra avokoa ry havana rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap