airtel

Politique

17-mars-2025

Guy Rivo Randrianarisoa

"Mila miova fijery ireo milaza fa lehiben'ny mpanohitra"

Sample post image

Mpanao politika, mpikatroka TIM, Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra

17-mars-2025

teo aloha, Solombavambahoaka teo aloha, Minisitry ny varotra tamin’ny tetezamita. Olona akaiky ary isany itokisan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Mahitsy teny, manana ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena. Nisy ny tafa fohy nifanaovan'ny Tia Tanindrazana (TT) taminy.
TT : 17 martsa 2009 - 17 martsa 2025, 16 taona izao ny nambara fa Revolisiona ka nanonganana ny fitondrana jadona sy ny ampihimamba ny toekarena, inona fiovana tsapanao ?
GR : Tsy dia miteny loatra aho momba ireny zavatra niseho tamin'ny 2009 ireny kanefa dia teo ifotony tokoa satria Tale Jeneralin’ny fitsinjram-pahefana aho no voatendry ho PDS rehefa nitranga ny 26 janoary 2009. Tsy jadona no nisy fa fandrobana fahefana noketrehan'olona mpanao politika very fihinanana sy seza ka nampiasa an'Atoa Rajoelina ho fitaovana hiverenana teo amin'ny fitondrana amin'ny fomba rehetra. Noho izany tsy nisy vina na fitiavan-tanindrazana velively ka tsy mahagaga raha 16 taona aty aoriana, erak'izao tontolo izao, dia firenentsika no gisitra ary mahantra fadiranovana tsy misy toa izao ny vahoaka Malagasy
TT : Tsy nanan-tsafidy tokoa ve ny filoha tamin’izany nefa teo aminy ny fahefana rehetra ? GR : Raha tsaroantsika andro vitsivitsy taorian’ny 7 febroary 2009, dia efa nadio sy nalalaka ny kianja 13 Mey teo Analakely. Atoa Rajoelina efa voalaza fa niafina tany amin'ny toerana misy masoivoho firenena iray. Tokony efa nandeha sy niverina tamin'ny laoniny izany ny fiainam-bahoaka. Saingy niditra an-tsehatra ny Tafika tamin'ny alalan'ny fikomiana satria ny marina dia nisy vahiny nanome vola hanetsehana ny Tafika haka fahefana. Tao amin'ny biraon'ny filoha Ravalomanana aho, teny Iavoloha ny 5 martsa 2009, niaraka tamin'ny Jeneraly iray akaiky azy, naheno azy tsara niteny hoe : "Tsy mpamono olona aho ary tsy hamono Malagasy fa hapetraka amin'Andriamanitra ny ezaka hampihavanana ny Tafika". Fantatsika ny tohiny. Fanonganam-panjakana nataon'ny Tafika vitsivitsy.
TT : Tsy vitsy tamin'ireo mpiara-miasa akaiky tamin’ny filoha Ravalomanana no lasa miara-dia amin’ny fitondrana Rajoelina, diso fanantenana tamin’ny fitondrana nisy anareo ve izy ireny ?
GR : Nilaza ireny nivadika ireny fa fampandrosoana no nidirany tany. Nisy vokany ve ? Nandroso ve ? Tsy diso fanantenana ireny olona ireny fa naka toerana nohon'ny fitiavan-tena sy fitiavan-tseza. Aiza anefa ireny ankehitriny?
TT : Marefo ny demokrasia, mitotongana ny toekarena, anjakan'ny herisetra ny fiarahamonina malagasy ankehitriny. Maharipery tokoa ve ny Gasy?
GR : Ny Malagasy dia olona tsy tia mitarika, aleony taritina ary miandry izany izy ireo. Tsy voatery hanongana na haka fahefana ankeriny, fa miandry olona tena tsapany fa afaka hanova ny fiainany. Raha izay no misy dia hazoto be indray ireo vahoaka ireo handeha hifidy. Izay no niseho tamin'ny fifidianana desambra 2001 nanerana an'i Madagasikara. Hatreto aloha toa tsy mahita izay olona hitondra ny marimaritra iraisana izay ny vahoaka ka mizarazara be.
TT : Mbola azo antenaina ve ny mpanohitra ?
GR : Mila miova fijery ireo milaza fa lehiben'ny mpanohitra. Mety hahasorena ny teniko, fa tsy adala ny vahoaka. Mahatsapa ny vahoaka fa toa lasa fitaovana sy kilalao satria tsy mazava amin'izy ireo ny sori-dalana hampitaina any aminy. Noho izany lasa tsy miray feo sy fo amin'ny mpitarika izy ireo ka tsy tsy misy lanjany ny zavatra tian'ny mpitarika hahatongavana. Eny fa na dia ny handeha hifidy fotsiny ihany aza ohatra dia vitsy no mazoto. Mila manova fomba fiasa izany ny mpitarika ny fanoherana ary ny fanovana voalohany dia ny manaiky mihaino ny hafa.
TT : Hampiantrano fivoriana iraisam-pirenena roa i Madagasikara amin'ity taona ity, COI sy SADC. Hitondra inona ho an’ny Malagasy ireo aminao ?
GR : Fanontaniana koa no hamaliako azy. Raha foanana ny vola azontsika isan-taona avy amin'ny Banky Mondialy sy ny FMI dia hisy fiovana ve ny fiainantsika Malagasy? Amiko manokana aleo tsy hisy ireo vola ireo. Dia toa izay koa ny valinteny entiko. Aleo tsy misy ny fandraisana fa tsy mitondra soa hatreto aloha. Aleo aloha isika hiezaka anatiny. Hifampizara ny manta sy ny masaka amin'ny tokony ho izy fa ny fisian'ireo vola avy any ivelany sy fandraisana fivoriana ireo no mitondra ady sy fitiavan-tseza ary fitiavan-tena ka mirona amin'ny fanodikodinam-bola.
Nangonin'i Jean D.
 

Dans la même rubrique

30-avril-2025

Tsy mahantra fa ampahantraina hatramin’izao ny malagasy, hoy ny mpikatroka eo

Card image cap
30-avril-2025

Tapa-taona aty aorian’ny fanapahana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny septambra 2024

Card image cap
29-avril-2025

Fanamby amin’ny fahantrana ity fa tsy fanamby eo amin’ny isika samy isika, hoy ny

Card image cap
29-avril-2025

Politika ivelan’ny firenena no atao hoe diplaomasia, hoy ny antoko politika

Card image cap
29-avril-2025

Tena manao izay ho afany ireo mpiaro ny filoham-pirenena sy mpiaro izao fitondram-panjakana

Card image cap
29-avril-2025

Tsy miova ny fomba fijerin’i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo, dia ny famerenana »,

Card image cap