airtel

Politique

01-févr-2022

Politique

Haingo Paradis “Hitaky ny nampanantenaina rehetra izahay”

Sample post image

Tsy efan’ny fitondram-panjakana irery intsony ny fanarenana ny sosialin’ny mponina ankehitriny, hoy ny mpandinika fiarahamonina sady mpisehatra ara-tsosialy, Haingo Paradis.

01-févr-2022

Efa manomboka miverina mamonjy ny toerana misy azy avy izao ireo traboina manarina ny fahavoazany taorian’ireny tondra-drano nahatsiravina ireny, hoy izy. Ankoatry ny hoe very fananana izy ireny dia eo koa ny tsy an’asa. Mety hiteraka zavatra marobe izay, ankoatry ny aretina. Ny tsy fananana asa mety hampitombo ny tsy fandriampahalemana raha tsy hiresaka afa-tsy ny eto Antananarivo manokana. Ny any an-kafa tsy lazaina intsony. Matoky ny fiaraha-mientan’ny rehetra noho izany mba hijery azy ireny hatrany satria mbola mitoetra ho traboina foana izy ireny. Ny BNGRC hita hoe niezaka, raha tsy hilaza afa-tsy ny namana Paolo Raholinarivo izay nanao ny ainy tsy ho zavatra tokoa mikasika izay fanakaikezana sy fijerena ifotony ny vahoaka madinika izay ary niady ny zon’izy ireo. Nisy ny fanampiana marobe nomen’ireo herivelona rehetra sy malala-tanana eto amin’ny firenena. Hangatahana ny hitsinjarana azy ireny mba tsy hisy fanodinkodinana fa tena haraha-maso tsara. Fatiantoka lehibe ho an’ny firenena ihany koa ny fahatapahan-jiro nampikaikaika ny maro fa voa mafy tamin’izany ireo fihariana madinika toy ny mpanao volo sy asa tena maro izay tena potika. Iaraha-mahalala fa tokony hisy ny fijeren’ny fanjakana foibe ny fanoloana ireo fitaovana ampiasaina entina hamokarana izany herinaratra izany. An-jato taona no efa nampiasana izany ka mila fanavaozana. Nanome fe-potoana moa ny filoham-pirenena hoe anaty 6 volana ka antenaina mba tsy hisy fitaka izany satria isan’ny tsy hanaiky izahay manomboka izao fa hitaky ny nampanantenaina rehetra. Zon’ny vahoaka ny misitraka izany. Hangatahana koa ny hijerena izay manakatsakana ny fahafahan’ny minisitra hiasa mba tsy tokony hiandrasan’ny fitondram-panjakana ny fanalana azy amin’ny toerany. Aorian’izao fiverenan’ny traboina izao amin’ny toerany dia atahorana ny mety ho fiakaran’ny tarehimarika amin’ny COVID 19 indray na dia hita ho efa tratra ihany aza ny PIC. Miantso ny hijerena manokana ireo mpisehatry ny fahasalamana, indrindra, mpitsabo aho satria nanao ny ainy tsy ho zavatra hikarakarana ireo marary izy ireo nefa toy ny lasa an-kilabao, hoy hatrany ny tenany, ary lasa very hasina tanteraka sy tandindomin-doza ilay tontolon’ny fitsaboana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap