airtel

Politique

05-mai-2023

Politique

Hajo Andrianainarivelo «Apetraho hiarovana ny zon’ny kandida ny ANRCM»

Sample post image

Teboka maro no tsy mbola tafapetraka araka ny tokony ho izy mba ahafahana mahazo ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety eto Madagasikara

05-mai-2023

hoy ireo mpiantsehatra ara-politika sy ny teo anivon’ny Transparency International ny 3 mey teo tetsy Antaninarenina, manoloana ny fanaovan-gazety eto amintsika, hoy ny antoko politika Malagasy miara-miainga. Iankinan’ny fahalavorarian’ny fanatontosana ny fifidianana ny fanaovan-gazety saingy tsy malalaka amin’ny fahazoana loharanom-baovao avy eo anivon’ny CENI ny mpanao gazety ary tsy mbola tafapetraka mandraka androany ihany koa ny ANRCM, hoy ny fanazavana. Anatin'ny fikarakarana ny fifidianana tanteraka isika izao, ny fijerinay hatramin'ny voalohany dia tsy miova, mila hajaina fotsiny ny lalàna rehetra, ary manan-danja manokana amin'izany ny lalàna mifehy ny fanaovan-gazety. Apetraho ny "Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée" na ANRCM fa antoka lehibe io hikarakarana fifidianana madio sy hiarovana ny zon'ny kandida tsirairay avy. Tsy ho an'ny MMM irery no hiadiana ho an'izany fa ho an'ireo rehetra manam-paniriana hitondra ny anjara biriky politikany rahampitso. Izay no votoatin'ny hevitra nentiko nandritra ny resadresaka niarahana tamin'ny Transparency International Initiative Madagascar ho fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, hoy hatrany ny filohan’ny MMM, Hajo Andrianainarivelo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap