tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

Politique

Hajo Andrianainarivelo “Misy ny fifidianana tsy misy demokrasia”

Mitety an’i Eoropa ankehitriny ny filohan’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM, Hajo Andrianainarivelo.

27-févr-2023

Sample post image

Mihaona amin’ny tomponandraikitra ara-politika sy toekarena isan-karazany ary hiatrika fivoriana avo lenta 2 sosona momba an’i Afrika koa izy, hoy ny fampitam-baovao. Nihaona tamin’ny filohan’ny vaomieran’ny raharaham-bahiny ao amin’ny antenimieram-pirenena frantsay, Jean Louis Bourlange, izy. Nihaona koa tamin’ny mpanangana ny “Nouvelles frontières”, Jacques Maillot, izay sady mpanangana ny « Corsair » ihany koa. Niompana tamin’ny fampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara sy ny fampivoarana ny fifandraisana ana habakabaka izany. Tao Lisbonne, Portugal, izy ny zoma teo niatrika fivoriana niaraka tamin’ireo mpikambana afrikanina ao amin’ny “International démocrate-centriste” na IDC izay misy ny MMM mba hiresahana momba ny demokrasia eto Afrika. Niompana betsaka tamin’ny fivoaran’ny teknolojia mikasika izany, noho izany, ny anjara fitenenan’ny filohan’ny MMM teto. Novelabelariny koa ny vinany momba an’I Afrika, indrindra, mahakasika ny fikarakarana fifidianana. Am-bolana izay no nitaky ny hampidirana ny sarin’ny mpifidy anaty lisitry ny mpifidy ny MMM mba hisian’ny mangarahara sy hanampy ireo maro an’isa tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Nanatrika ity fotoana ity ny filoham-pirenen’i Ginea bisao, izay sady filohan’ny CEDEAO, Sissoco Embalo. Teo koa ny praiminisitr’I Cap vert sady filohan’ny IDC aty Afrika, Ulisse Correia e Silva ary ny praiminisitr’I Sao Tome et principe, Patrice Trovoada. Tsy misy demokrasia raha tsy misy fifidianana fa misy ny fifidianana tsy misy demokrasia, hoy ny fehezantenin’I Hajo Andrianainarivelo nanamarika ireo mpanotrona. Hitodi-doha any Bruxelles, Belzika, indray ny filohan’ny MMM rahampitso talata handray anjara amin’ny Africa political outlook izay iresahana ireo fanamby lehibe mahakasika ny fahaiza-mitantana aty amin’ny kaontinanta afrikanina, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fidinana an-dalambe teny amin’ny 13 may
06-juin-2023

Hotsaraina afaka 10 andro i Nambinina sy Doris

Card image cap
Olona namono tena ho an-dRajoelina Misy ny any am-ponja, ao ireo sosotra noho ny ankilabao
06-juin-2023

Henjakenjana ny resaka fanagadrana politika tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao, na io aza no isan’ny nanenjehana sy natao fitaovana politika tamin’ny 2009 nentina nanonganana ny Fanjakana Ravalomanana.

Card image cap
Fihaonan’i Rajoelina sy Macron Sao dia mba hanao «Accord de coopération » vaovao ?
06-juin-2023

Ny 7-9 jona no voalazan’ny fampahalalam-baovaon’ny Africa Intelligence, fa handehanan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina any Frantsa hihaona amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Card image cap
Fampiharana demokrasia Tena mbola lavitry ny fenitra i Madagasikara
06-juin-2023

Olona manodidina ny 500.000 isa no nidina an-dalam-be ny alahady teo tany Pologne, firenena iray any eoropa atsinanana nanohitra ny fiakaran'ny vidim-piainana any an-toerana.

Card image cap
Ninie Donia Naverina am-ponja taorian’ny fitsidihan-dry Siteny
06-juin-2023

Tsy niandry ela fa naverina any am-ponja Rtoa Bezara Eliane Virginie na Ninie Donia 48 ora teo taorian’ny

Card image cap
Eliace Ralaiarimanana «Ny haizina mbola hazava»
06-juin-2023

Mankahery antsika vahoaka malagasy, hoy ny mpanao politika Kristianina,Eliace Ralaiarimanana.

Voir plus