airtel

Politique

06-juil-2023

Politique

Hajo Andrianainarivelo “Tena potika ny firenena, voafitaka isika Malagasy”

Sample post image

Vaovao isan’ny nanamarika ity herinandro ity ny karazana fivoahana politika tamin’ny alalan’ny fandaharana manokana nataon’Atoa Hajo Andrianainarivelo,

06-juil-2023

Filoha mpanorina ny Antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM. Nanamafy ny tsy fiarahany intsony amin’ny Fitondrana Rajoelina, ary naneho ny tsy fisian’ny fahaiza-mitantana sy ny fihemorana eto. “Tsy araka ilay fampanantenana be dia be hoe : hanova an’i Madagasikara. Mahatsiaro voafitaka izahay, ary ny tolona nimasoanay dia hampandroso ny firenena, saingy ny tondro rehetra dia milaza fa mihemotra ny firenena, voafitaka ny Malagasy”, hoy I Hajo Andrianainarivelo. Ity mpanao politika ity moa dia efa naneho tany aloha fa tena nihemotra ny firenena, ka isan’ny noraisiny tamin’izany ny tahan’ny fahantrana izay nitombo hatrany amin’ny 80%, ary mbola nohamafisiny fa hita taratra ny fihemorana amin’ny lafiny maro, ka anisan’io ny demokrasia. Aminy, noho ny tsy fahintsiana sy tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ankehitriny, dia tsy ho lany intsony I Andry Rajoelina amin’ny fifidianana ary tsy ho tafiditra any amin’ny fihodinana faharoa aza raha mbola mirotsaka. Potika ihany koa, hoy izy, ny maha andrim-panjakana ny Filoham-pirenena, ka raha fantany ho mizaka ny zom-pirenena Frantsay i Andry Rajoelina dia tsy nanohana azy ny MMM tamin’ny 2018. Nifanandrify tamin’ny atrik’asa momba ny fitsinjaram-pahefana teny amin’ny CCI Ivato izay nahitana ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ny fandaharana nataony, saingy toa taratry ny tsy fisian’izany ny nilazan’Atoa Hajo Andrianainarivelo teo anatrehan’ny olan’ny fikojakojana ny làlana izay antony mahapotika ny làlana ankehitriny. Nambarany fa nisy ny lalàna namaritra ny tsy maintsy hanaovana fanavaozan-drafitra ka anisany ny fikitihana ny tahiry ho an’ny an’ny fikojakojana ny làlana izay FER (Fond d’Entretien Routier) lasa FR (Fond Routier). Nanipika kosa anefa i Hajo Andrianainarivelo, fa araka ny lalàna, matoa mandeha ny tolo-bidy dia misy vola izany ao amin’ny kitapom-bolan’ny FR. « Ny vola misy, fa baiko avy any amin’ny Praiministra ny hoe tsy azo kitihana ny volan’ny FR raha tsy mahazo alalana avy any amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra. Mbola mitohy izany hatramin’izao ka miteraka ny tsy fandoavana ny volan’ny orinasa sy ny fahapotehan’ny lalana. », hoy izy niapanga ny Filoha sy ny Praiminisitra ho manao sorona ny làlam-pirenena sy ireo mpandraharaha Malagasy. Ara-toekerana, nambarany fa tokony manana politika mazava amin’ny fambolem-bary, izay tokony hisy lalàna tari-dàlana manokana mihitsy. «Izaho mamboly vary tsy mamboly artemesia ! Resy lahatra fa ny resaka fambolena dia afaka hampandrosoana an’I Madagasikara. Mbola tsy ny 10% amin’ny tany azo hambolena no voajary amin’izao, fa mila voafehy ny rano, tantsoroka, ary mila manana fijery fa afaka mahavita tena ara-tsakafo”, hoy ny ampahan’ny fanehoan-keviny, izay toa mifono vely kanota ho an’ny fitondrana hatrany ho tsy mahalala ny laharam-pahamehana ka tsy mahomby.
TONGA SAINA NY MPANAO POLITIKA
Ampahany ireo, fa raha haravona, dia hita taratra sy miharihary fa na ireo mpanohana nahafatra-po ny Filoha ankehitriny aza, betsaka no diso fanantenana noho ny tsy fahombiazam-pitantanana, tsy fahaizana mifidy ny laharam-pahamehana,… ka mahapotika an’i Madagasikara. Betsaka no tonga saina fa tsy tahaka izao no fitantanana firenena, simba ny ho avy, revirevin’olon-tokana no terena ho fandaharan’asam-panjakana,… Betsaka ireo niara-dia tamin’Atoa Andry Rajoelina no mahatsapa fa tsy any ny làlana. Raha fanohanana sy fiarahana tamin’Atoa Andry Rajoelina ve nisy tahaka an-dry Depiote Brunelle Razafitsiandraofa, Roland Ratsiraka niainga tany amin’ny 2009, Siteny Randrianasoloniaiko sy ny maro hafa, ary io ihany koa Atoa Hajo Andrianainarivelo sy ny antokony, fa matoa ireny tonga amin’izao dia mahatsapa fa tsy any no làlana raha politika sy firenena no jerena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap