airtel

Politique

20-nov-2024

Hajo Andrianainarivelo

« Tsy atao lafika intsony Antananarivo, eto no fiantombohan’ny fanovana »

Sample post image

Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.

20-nov-2024

Zanak’Antananarivo tsy fanaovana lafika, tsy atao fitaovana hakana fahefana sy hanangonana harena, ka izay no hijoroanay, izay no nialanay, izay no hahatongavanay eto miaraka aminareo, vitantsika io !», hoy i Hajo Andrianainarivelo omaly nandritra ny fanokafana ny fampielezan-kevitry ny kandida Tahina Razafinjoelina. Naneho ity Filohan’ny Antoko MMM ity, fa izy ireo rehefa manohana dia tena manohana, ary tsy manohana fahatany, fa vina sy tanjona no atao. Aza ny sasany, hoy izy, fa izahay tsy miaraka amin’ny olona mpamitaka, tsy miaraka amin’ny olona mpivarotra tanindrazana, tsy miaraka amin’ny olona mpandroba, tsy miaraka amin’ny olona manao tsinontsinonana ny zanaka Malagasy. Nanamafy ny fanohanany ny an’i Tahina Razafinjoelina noho izany ny MMM, ka nilazan’i Hajo Andrianainarivelo fa mpampianatra io, ary mahalala ny lanjan’ny fampianarana, mahalala ny fampitovian-jo ny samy Malagasy, ka izany no niantombohana teto Antananarivo sy hanohanan’ny Malagasy Miara-Miainga azy, hoy hatrany ity Filohan’Antoko ity. Raha tsy Miara-Miainga mantsy, hoy izy, dia ry zalahy foana no mihinana ao ambony ao. Notsiahiviny ny fisiana tsimbalivaly tamin’ny fitantanana an’Antananarivo tao anatin’ny 25 taona ka nametrahany hoe : nilamina ve Antananarivo ? Misy jiro ve ? Madio ve ? Misy asa ve ? Izany ve no mbola hotohizana eto ka mba mahalàlà menatra, rehefa nomena 25 taona ianareo, dia mba omeo anay indray ny 25 taona manaraka ahitanareo an’izany fa tena mijaly ny vahoakan’Antananarivo, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Tsy nitsitsy rahateo izy naneho, fa fitiavan-tena, gaboraraka, kolikoly,… no manjaka eto Antananarivo ka mila ovàna izany, ary izany fanovana entin’ny kandida Tahina Razafinjoelina, hoy izy nanentana ny vahoaka hifidy ny kandida laharana faha-2 eto Antananarivo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap