airtel

Politique

30-oct-2023

Hangotraka ity herinandro ity

Hovitaina eny amin’ny 13 may ny tolona

Sample post image

Tsy miova amin’ny fitakiany ny firasankinan’ny kandida, ary tsy mihemotra raha tsy tratra ny tanjona.

30-oct-2023

Hiakatra ny hamafin’ny tolona amin’ity herinandro ity, manomboka rahampitso talata, araka ny fanambaran’ny firaisankinan’ny kandida sy ireo herivelona samihafa ao anatin’ny tolona ny sabotsy teo tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny sabotsy teo. Tsy maintsy hiditra eo amin’ny kianjan’ny 13 may hamaranana ny tolona, raha ny nambaran’ny Firaisankin’ny kandida tamin’ny alalan’I Marc Ravalomanana. Isan’ny nampiavaka ny fotoana ny sabotsy teo moa ny fahatongavan’ny Praiminisitra tamin’ny tetezamita, izay nitarika ny fanonganana tamin’ny 2009, naneho fa vonona hanome tànana sy hitondra ny fanalahidy avy aminy satria aminy dia vao mainka zava-doza noho ny talohan’ny 2009 izao, ary efa tena tolon’ny vahoaka Malagasy izao fa tsy an’ny kandida irery. “Tsy misy manaiky ny fifidianana izay hatao amin’ny 16 novambra izany raha tsy mieritreritra izy! Efa ao anaty lisitra avokoa izahay 13, ka hotereny io! Tsotra ny zavatra ataontsika, efa nilaza isika fa tsy ilaina io, dia izay fomba tsy hisian’io no tsy maintsy heverintsika. Tsotra ny tsy hisian’io, tsy maintsy miditra ao amin’ny 13 may isika na tiana na tsy tiana. Ny lasa tsy mba fanadino, hoy I Marc Ravalomanana, izay naneho fa vonona hitarika ny vahoaka ny Praiminisitra teo aloha Monja Roindefo, ary manana ny fanalahidy ny amin’izany. Teo amin’ny kianjan’ny 13 may no nanonganana azy, ary eo ihany koa no hanonganana ny mpitondra amin’izao, raha ny nambaran’I Marc Ravalomanana. Nambarany fa efa miaraka amin’ny Firaisankinan’ny kandida avokoa amin’izao ireo niara-nanongam-panjakana tamin’I Andry Rajoelina tamin’ny 2009. “Alatsinainy maka bahana, ary manomboka talata, dia tena hangotraka. Mila tsy matahotra intsony satria mihevitra ny andaniny fa malemilemy sy be fandeferana. Mandady hajaina ianareo, ka ampy izay, andao hofaranana amin’ny herinandro ity tolona ity, ka rehefa hatao dia atao, fa tsy hoe: miantso ny mpitarika dia ny vahoaka iala ilany, tsy misy mpiasa ny mpiasa fa hamarana ny tolona”, hoy ny depiote Fidèle Razarapiera.
EFA NIALA NENINA, MIANTSO NY MIARAMILA SY NY POLISY
Nisy ny fanambarana niraisana nilazan’ny Firaisankinan’ny kandida, fa tsy nitsahatra nitady vahaolana izy ireo tao anatin’ny herinandro maromaro, samy nanao ny azy sy niezaka nanao izay tandrify azy ny Raiamandreny anatin’ny FFKM, ny fiarahamonim-pirenena, ny Vondrona Iraisam-pirenena, ny kandida, Raiamandreny ara-drazana, antoko sy vondrona politika maro, fikambanana samihafa,… mba hisian’ny vahaolana. Mbola miziriziry sy manao bemarenina hatrany anefa ny ankilany, ary mitohy hatrany ny fandikan-dalàna sy andrim-panjakana ankehitriny hanomezana tombotsoan’olon-tokana izay hamafisin’izy ireo fa kandida vahiny. Mbola hita izany tamin’ny fanaovan’ny HCC nametraka ny jeneraly efa misotro ronono Richard Ravalomanana ho Filoham-panjakana. “Noho izany, mitodika sy miantso anareo polisy sy ny foloalindahy izahay, ianareo no tandroka aron’ny vozona, ianareo no antoka afaka hiaro ny fiandrianam-pirenena, miantso anareo izahay mba hijoro manoloana ny andraikitra feno tandrify anareo mba hisian’ny fifampiresahan’ny mpanao politika an-databatra boribory hitadiavana vahaolana manoloana ireo fandikan-dalàna sy krizy maro sosona eto amin’ny Firenena. Manamafy ny antso amin’ny Malagasy tsy an-kanavaka mba hiray hina sy hijoro ary tsy hanaiky lembenana ho tombotsoa ambonin’ny firenena”, hoy ny fanambaran’ny Firaisankinan’ny kandida izay novakian’I Roland Ratsiraka. Nanasonia izany ny kandida miisa 10 ka nambara fa haterina eny amin’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena izany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap