fa tsy tonga dia hoe avia miaraka amiko fa tsy mila an'izy mianaka intsony isika, hoy ny mpanao politika, mpikamban’ny antoko politika Leader Fanilo, Hary Razafindrazaka. Hiaraka aminao ho aiza moa izany izahay, hoy ny fanontaniany? Inona no antoka hoe tsy ho ratsy noho izy mianaka ianao? Sa hoe minoa fotsiny ihany? Deraina ny fandraisan'ny tanora andraikitra fa misy zana-tohatra tsy maintsy lalovana andrafetanao mazava ny hevitra tianao ho voizina fa tsy mihazakazaka be fahatany ka milaza ianao fa tsy hanao «culte de la personnalité» na hanindraindra olona kanefa ny hetsikao aza nampitondrainao ny anaranao. Ny hetsika toy itony avy amin'ny olo-malaza na ny mpanefoefo no mahatonga ny fanaovana politika lasa tsy misy antony intsony. Hevi-baventy no tokony nanombohanao ny hetsika tianao avoitra. Izany «troisième voie» na hery fahatelo izany tsy vina ahafahana manorina fiarahamonina tsara rindra. Avereno jerena ny kopy fa tsy tara. Mbola malalaka ny sehatra ho any tanora, hoy hatrany ity zokibe teo amin’ny fanaovana politika ity.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby