airtel

Politique

27-juin-2022

Politique

Hemerson Andrianetrazafy “Miha gadra, miha gadra hatrany isika”

Sample post image

Ambaratonga amin’ny lafiny maro no azo iresahana ny atao hoe fahaleovantena, hoy ny mpahaitantara sy mpahaivakoka, Hemerson Andrianetrazafy.

27-juin-2022

Misy aloha, hoy izy, ny hoe fahaleovantena apetraka amin’ny maridrefy amin’ny maha firenena. Eo amin’ny resaka ara-drafitra izany. 62 taona lasa izany izay, toy ny taonako. Mahaleotena isika ara-drafitra na eo amin’ny fifandrefesan’ny samy firenena. Misy maridrefy hafa hijerena azy koa anefa. Eo amin’ny lafiny fanapahan-kevitra anatiny ve isika mahaleotena? Eo amin’ny fandrindrana fiainam-piarahamonina, fitantanana, toekarena ? Tsy azo odiana tsy fantatra ny fisian’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao nokolokoloin’ny Frantsay taorian’ny ady lehibe faharoa. Nokolokoloina toy ireo zanatany frantsay rehetra tsy hiala ambany vahohon’ny Frantsay koa I Madagasikara. Isany, ohatra, ny fisian’ny “accord de cooperation” na fifanarahana fifandrimbonana tamin’ny repoblika voalohany. Ny dikan’io dia hoe tsy azo kitikitihana ny tombontsoa Frantsay ary ny Malagasy dia toa ireo zanatany frantsay rehetra. Na ny toekarena sy fitantanam-bola aza mbola teo ambany vahohon’ny Frantsay satria isika tao anatin’ny antsoina hoe “Zone franc”. Notsipahana tamin’ny fiatombohan’ny repoblika faharoa moa iny. Nisy vanim-potoana isika nikatsaka ny tena fahaleovantena. Nanangana firehana sosialista isika tamin’ny repoblika faharoa saingy ny olana tamin’io dia somary nivaona ilay paikady. Eo izany ilay elanelana eo amin’ny rafitra natao an-tsoratra sy ny zava-misy ifotony. Lasa nivondrona am-pelantanan’olon-tokana ny fahefana. Tsy dia nanome hery ny fiarahamonina Malagasy hitady ny lalana amina fiarahamonina afaka mivelon-tena izany. Nitady lalana nivoahana tamin’ny hitsoka nidirana moa isika dia nandeha ny “libéralisation” ny faraparan’ny taona 1980 tany. Nahatonga izao korontana rehetra izao io satria ny repoblika faharoa no niezaka isika hitady hevitra hahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Niezaka nametraka ny toeran’I Madagasikara teto amin’ny ranomasimbe Indianina isika. Tadidinareo angamba ny hoe “oseanina indianina, faritry ny fandriampahalemana”. Niezaka niditra tamina rafitra iraisampirenena samihafa isika saingy raiki-tampisaka hatrany ny tsy fahaleovantena satria tsy sasatry ny nanovona sy nanampy trosa sy trosa isika. Na ny zafiafin’ny zafiafy aza tsy mbola antenaina hahafaka azy. Ny sitrapon’ny mpamatsy vola no ezahana atao dia miha gadra miha gadra isika. Mila mijery ny Malagasy hoe inona no efa ananantsika, inona no azontsika atao na misy na tsia fanampiana? Tsy maintsy miezaka isika manefy ny nofinofintsika hoe karazana fiarahamonina tahaka ny ahoana no mety amintsika satria miara-mionina isika izao. Misy manontany hoe misy mpitondra ve eto fa izaho manontany hoe misy fiarahamonina ve eto? Tian’ny Malagasy koa moa indraindray ny milanonana mba hanadinoana ny tena izy fa ny olana mipetraka foana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap