airtel

Politique

10-mars-2025

Herim-bahoaka mitambatra

«Aza adino fa efa niofo tanteraka ho Frantsay io Filoha io!»

Sample post image

Iaraha-mahita ankehitriny ny zava-misy ao Toliara toy ny fahavoazan’ireo traboina,

10-mars-2025

hoy ny antoko politika Herim-bahoaka mitambatra na HBM. Toy izany koa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Lova Andrianjaka, ny raharaha Base Toliara. Teo, hoy izy, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny katolika. Manerana ny nosy dia mianjady olana ankehitriny ny malagasy. Hitantsika ireny fisamborana tany avaratra ireny. Efa ela no niaraha-mahalala fa hafa no nambaran’ny filoham-pirenena. Hafa ny ataony. Fampandriana adrisa ny vahoaka malagasy no miseho ary fanambaniana an-kitsirano ny malagasy mihitsy ny filazàna fa mivovoa izay mitsikera ny tsy mety ataon’ny fitondràna. Tsy misy mivovoa afa-tsy ny alika. Izay moa izany no andraisan’ny filoham-pirenena ny malagasy ary tsy mahagaga izany satria aza adino fa efa niofo tanteraka ho frantsay io filoha io tamin’ny alalan’ny antsoina hoe «naturalisation»! Vao haingana moa izahay ao anatin’ny vovonana na «cellule de crise» Diovy i Madagasikara no nampahatsiahy an’izay. Latsaka an-katerena ankehitriny ny vahoaka malagasy. Tsy hita ho mankany amin’ny fandrosoana fa mankany amin’ny fihemorana ny firenena malagasy. Efa sahirana sy mitady izay ho arapany angamba ny vahoaka malagasy dia azo tambatambazana amin’ny hoe vary 1 gony na fitapitahana amina zavatra hafa eo. Ny fanoherana koa etsy andaniny tsy hita mazava ny tena tanjony. Hitondra vahaolana ho an’ilay mpitondra ve? Hanoro hevitra azy ve sa hanampy azy? Sarotra ny raharaham-pirenena ankehitriny ary tsy misy afa-tsy ny fiaraha-midinika ihany no ahitàna vahaolana. Mitady ny politika matotra ivoahana amin’ny krizy izahay mivondrona ao anatin’io Diovy i Madagasikara io. Izay ihany no vahaolana hitanay dia ny fiaraha-midinika satria manana vahaolana daholo ny mpanao politika malagasy saingy ilàna marimaritra iraisana ny fandrindràna sy fampiharana izany, hoy hatrany ny HBM.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap