Antenimierandoholona Atoa Herimanana Razafimahefa omaly alahady 08 oktobra, ampitson'ilay habibiana niseho teto Antananarivo. Mba mitebiteby tahaka ny vahoaka Malagasy rehetra ihany koa ny tenako, ary tsy hialangalana mahita izao zava-misy izao satria tato ho ato, tao anatin'ny andro vitsivitsy na herinandro eo dia nisy fidinana an-dalambe, nisy fifandonana, nisy ny herisetra, ary maro ny naratra, ka mahonena daholo izany, hoy izy. "Maro ny mpitandro filaminana dia misy maratra ihany koa, kanefa zanaka Malagasy ihany, fa manao akanjo hafa fotsiny. Ireo kandida 11 ihany koa dia misy mpanotrona ao an-damosin'ireo, izay niharan'ny herisetra ary maratra mafy ihany koa, ary ny kandida aza moa dia efa misy 4 maratra mafy, ka izay no mahatonga ny tenanay hiteny hoe: mbola tsy nikatona akory ve ny ferin'ny fifandonana teo aloha tamintsika Malagasy dia efa tonga sahady ny herisetra ka isika izany dia ho lany andro amin'ny ezaka fidamelana eto hitadiavana. Vahaolana amin'ireny zavatra mitranga ireny", hoy Atoa Herimanana Razafimahefa. "Amin'ny maha filohan'Andrim-panjakana sy Raiamandreny ny tena dia manameloka amin'ny herinay rehetra ny herisetra, indrindra fa ohatran'ny tena fanahy iniana mihitsy izy irery, nandratrana olona, ary isika dia Firenena mandala ny demokrasia, manaja ny zon'ombelona ka tokony hampiharina ny lalàna ary arahina an-tsakany sy an-davany ny voalazan'ny lalàmpanorenana fa raha tsy izany dia hiditra krizy indray isika", hoy io filohan'Andrim-panjakana io tsy nisorona. Nambarany fa efa krizy ny vidim-piainana, krizy ny toekarena, krizy ny vidin-tsolika,... ka tsy ho araky ny Malagasy intsony, raha mbola hiampy krizy politika. Miantso ny hanatsaharana ny herisetra fa tena tsy mendrika ny Malagasy intsony izany, hoy hatrany izy, izay nilaza mahitsy fa raha mitohy ny fihetsiketsehana ary raha mbola hisy herisetra dia sarotra ny hirosoana amin'ny fifidianana araka ny fandaharam-potoana, fa isika dia tsy maintsy mifandinika amintsika Malagasy mba hahafahana miroso amin'ny fifidianana madio sy mangarahara satria izay no tena tadiavin'ny vahoaka, hoy izy. Eo anatrehan'ny fisamborana sy fitazonana olona izay efa misy herinandro, nilaza io Filohana Andrim-panjakana io fa tsy tsara loatra ny fitazonana maharitra eny amin'ny Tobin'ny zandarimaria satria isika tany mandala ny demokrasia, hoy hatrany izy nanamafy. Fitoniana no tokony hapetraka fa tsy tokony hiady hevitra amina krizy vaovao indray, hoy izy.
TSY MIANKINA AMIKO NY TSY NAHAFAHAKO NANDRAY NY TOERANA
Nanaitra ihany koa ny nilazan’Atoa Herimanana Razafimahefa manoloana ilay tsy fahafahany nandray ny fahefana nisolo ny filoha niala araka ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana hoe: “Efa nambarako ombieny ombieny fa efa nivonona tanteraka aho an-taonany maro ny handray izany toerana Filoham-panjakana mpisolo toerana izany, kanefa noho ny antony tsy miankina amiko mihitsy, dia izao ny zavatra mitranga aloha, fa izaho tsy miamboho adidy izany”. Toa miendrika ampamoaka nanamafy ny ahiahy sy ny tsindry na koa fandrahonana azy tsy handray ny fahefana. Misy lanjany goavana amin’ny toe-draharaha politika eto ny fanambarany, ka samy miandry ny akony sy izay hiseho ny rehetra.
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo