filaminana hiady amin’ny vahoaka. Olona mandeha am-pilaminana no darohana baomba mandatsa-dranomaso, manempotra, mandratra,… Niainga teny Antaninkatsaka hatrany Andranonahoatra ny diabe omaly. Nalaina an-keriny ny fanamafisam-peo, nanaovana herisetra indray ny vahoaka. Efa nangata-dàlana ireo mpitarika tamin’ny alalan’ireo depiote sy kandida no norarafana tampoka teo Andranonahoatra. Tsy latsaky ny 3 no naratra, sempotra hatramin’ny ankizy sy marary tao amin’ny CSB II, ny mpianatra madinika teo amin’ny sekoly manodidina,… Nanamafy ny kandida Roland Ratsiraka fa tsy mbola nisy atody vaky na iray aza, ary voafehy hatrany ny olona fa ny fitondrana sy ny zandary no manafika hatrany. Nahitsy ny kandida Jean Jacques Ratsietison nilaza fa matahotra ny Firaisankinan’ny kandida I Andry Rajoelina, ka io mampihorohoro io, saingy nilaza ny tenany fa tsy mampihemotra izany. Raha hiverenana ny hatrizay, nandeha ny fanosoram-potaka fa handoro sy handrava eto Antananarivo ny Firaisankinan’ny kandida izay mitaky ny famerenana ny fanjakana tan-dalàna, fiarovana ny fiandrianam-pirenena, fitakiana fifidianana madio,… Nanaovana herisetra ka tsy mbola nisy Filoham-panjakana teo aloha sy Filoham-pirenena teo aloha noratraina izany raha tsy tamin’izao. Niditra indray tamin’ny fanetsehana andian’olona higafy, hisotasota, handroba, hanimba fananan’olona,… Dia io miafara amin’ny filalaovana ny resaka fahafatesana terena ho antony ara-politika io mba hilazana fa lasibatra sy hahatonga ny olony hitroatra. Zary lasa tetika hoenti-manakana ny hetsika am-pilaminana io raha tarafina amin’ilay didy navoakan’ny Prefe omaly. Zary efa fanao tamin’ny 2009 sy 2018 ny resaka faty, hany ka hatramin’ny Filoha teo aloha aza novetavetaina tamin’ny vatam-paty. Efa faha-17 andron’ny diabe am-pilaminana omaly, fa mbola nisy ve mangazay na tsena vaky tahaka ny tamin’ny 2009
FIANTOMBOHAN’NY FIRODANANA NY HERISETRA…
Nitohy tamin’ny resaka fandefasana andian-tafika tany amin’ny toeram-ponenan’ny kandida iray hisambotra azy sy haka ny fananany. Hitondra filaminana ve izany sa any anaty fampihorohoroana indray no tetika manaraka hoenti-mandemy ny fitakiana fifidianana madio Mbola mendrika ho filoha sy afaka hiantoka ny firaisam-pirenena araka ny andininy faha-45 amin’ny lalàmpanorenana ve ny olona maniraka ny olony hirombo hamboly ady an-trano sy hamotika fananan’olona Raha miverina amin’ny tantara, tsy tonga Filohan’ny tetezamita I Andry Rajoelina raha tsy nidina an-dalambe ary izy no nametraka ny kianjan’Ambohijatovo, tsy tonga Praiminisitra ary tsy hitan’ny karatra tamin’ny politika Atoa Ntsay Christian raha tsy nisy ny tolon’ny depiote 73,… Ankehitriny, io miharihary io ny jadona sy fampiasan-kery, saingy izay mpitondra niditra tamin’izany aloha raha ny tantara hatramin’izay dia nanisa ny andro nijanonany teo sisa no nataony satria tsy misy maharesy herim-bahoaka ary manan-jiny io vahoaka io, mbola tsy diso ny tantara niainga 1972, 1991, 2002, 2009, 2018,…
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby