airtel

Politique

09-nov-2021

Politique

Hery Rajaonarimampianina “Apetraho ny fitoniana, avoahy ny gadra politika ”

Sample post image

Nivoaka tao anatin’ny fahanginany ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, izay nampahatsiahy fa namindra fahefana ara-demokratika,

09-nov-2021

 ary nipetraka amin’ny maha Raiamandreny kanefa dia mbola tratry ny hetraketraka ny mpiara-dia aminy. “Nisafidy nangina aho, nijanona amin’ny maha Raiamandreny. Mitodika am-panajana amin’ny mpitondra ny firenena, miantso azy ireo ny hampitsaharana ny fifanenjehana ara-politika, ny herisetra sy ny fifankahalana. Miantso azy ireo aho, hametraka ny fitoniana ara-politika. Isan’ny antoka amin’izany ny famoahana ny gadra politika rehetra. Tsy ho anay irery izany fa antoka ho an’ny fitondrana ihany koa io”, hoy ity Filoha teo aloha ity. Niantso fandinihan-tena lalina anaty fanetren-tena. Notsipihiny fa tsy afaka hiambo na hitondra firenena samirery. Efa hita ny lesoka tamin’izany, ka tsy maintsy manarina ianareo, tsy maintsy manarina isika, ka aoka hanana toe-tsaina mahay manavaka ny vary sy ny tsiparifary, hoy I Hery Rajaonarimampianina. Nanamafy kosa ny tenany fa tsy maintsy mandray anjara amin’ny fifidianana filoha ny HVM satria izay no antom-pisian’ny antoko. Notsipihiny kosa, fa eo foana no olana ho an’ny firenena tao anatin’ny vanim-otoana lava. Ao amin’ny fifidianana filoha no misy olana ka ao ihany koa, hoy izy, no fiantombohan’ny vahaolana. Tsy ny hahalala izay olona hirotsaka hofidiana ao anatin’ny HVM no zava-dehibe, ary mety ho fandrika aza izany, fa ny zava-dehibe dia ny fanamafisana orina ny antoko, raha ny fanamarihan’ity Filoha teo aloha ity.
« HAINTSIKA IO TOEKARENA IO »
“Tsisy fahagagana ny toekarena, manaraka lojika, misy izay lalàna na aiza na aiza eran’izao tontolo izao raha ny toekarena. Mila vina, mila stratejia, mila tetikasa, mila asa,… Izay hafafinao sy volenao ihany no hojinjainao amin’io toekarena io. Sarotra ny hanarina ny toekarena raha tsy misy teti-panorona matotra. Isika tsy miambo fa mba sahy miteny hoe: mba haintsika io”, hoy Hery Rajaonarimampianina. Efa mihazakazaka any amin’ny fampandrosoana sy fanarenana ny toekarena ny firenena maro. Tsotra ny isan’ny ahafahana miatrika izany dia ny vaksiny amin’ny covid-1 mba handraisan’ny fitondram-panjakana ny fepetra hanapariahana sy hanafainganana ny vaksiny, hoy izy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap