Ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, sy ny mpifanandrina mivantana amin’ny tao anatin’ny 14 taona, Marc Ravalomanana, moa izany ao anatin’izay. Heverina ho lehilahy fahatelo ny mpitarika ny Mihava tour, Siteny Randrianasoloniaiko, izay tena miezaka mamita fitetezam-paritra faran’izay zokiny amin’izao fotoana izao. Etsy ankilany koa anefa dia tsikaritra ho miainga tsimoramora ny seraseran’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, amin’ny alalan’ny fanentanana fohy sy an-tsary isan-karazany eny amin’ny tambazotran-tserasera eny. Ankoatry ny fitsidihako ireo trano eva isan-karazany teny amin'ny ITM na «International Tourism fair Madagascar», hoy ny tatitra nataony niaraka tamina fanehoana an-tsary maro omaly, dia isan'ny nanamarika sy nahafaly ahy ny nifankahita sy nitafatafa taminareo malagasy mpiray tanindrazana amiko. Hatreto, na izany na tsy izany, mbola tsy hita loatra aloha ilay tena hoe tsy ampoizina anatin’ny fihazakazahana hianika etsy amin’ny sezan’Iavoloha sy Ambohitsirohitra ity fa dia mafampana aloha ny toe-draharaha saingy ny hirariana kosa anefa dia ny tsy hisian’ny mampanahy hatrany rehefa akaiky fifidianana toy izao dia ireo tranga heverina fa efa tokony ilaozan’ny toetr’andro sy ny firenena amin’izay dia ny rotaka sy gidragidra na koa ilay nantsoin’ny amiraly fahavelony hoe rombo sanatria.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby